Fanenjehana eny amin’ny HCJ

Efa nametraka arofanina ny Fitondrana…


  • Talata 04 Jona 2024

Niroso tamin’ny fianianana ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice)

avy ao amin’ny HCDDED na ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna ny andron’ny omaly. Tsara ny manamarika fa miisa 4 ireo Solontenan’ny HCDDED ao amin’ny HCJ, ka anisan’ireo Rtoa Giséle Ranampy Minisitry ny asam-panjakana teo aloha sady vadin’ny Filohan’ny CENI, Fenosoa Ramarokoto, Emile Rakotondrainy Herimandimby, ary Zafilaza Rajaona. Raha tsiahivina, natao hitsarana ireo mpitondra ambony toy ireo filohana andrim-panjakana sy mpikamban’ny governemanta manana dosie goavana toy ny fanodinkodinana volam-panjakana, fanararaotam-pahefana, afera lehibe,… ny HCJ. Sarotra anefa ny fanenjehana satria tsy maintsy lanian’ny depiote maro an’isa mihoatra ny antsasa-manila, izay vao afaka mandray an-tànana ny dosie sy manohy ny raharaha ny HCJ. Manodidina ny 15 ireo dosie efa eo am-pelantanan’ny HCJ, saingy mihisatra sy tsy misy akony. Isan’ny efa nanao fanamarihana mikasika ion y Filohan’ny HCC ankehitriny Atoa Florent Rakotoarisoa, izay nahitsy nilaza mandeha ila ny ady amin’ny kolikoly noho io fangatahana tso-drano amin’ny Antenimiera io. Efa mametraka arofanina ho azy ihany koa ve ny Fitondrana Rajoelina amin’ny fiarovan-tena ka nandefasana ny olony ho ao amin’ny HCJ mba hipasoka daomy eo anatrehan’ny mety ho fisiana olon’ny fitondrana ho voapaingotra eny amin’ny HCJ aoriana ao ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT