Politique

Fanendrena praiminisitra Tsy mbola hita ny marimaritra iraisana ?


  • Alakamisy 27 Oktobra 2011

Tsy raikitra indray, raha tokony ho notanterahana omaly hariva ny fanendrena ny praiminisitry ny marimaritra iraisana hitantana ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena.

 Tsy mbola hita tsara mantsy ny marimaritra iraisana. Mbola mifandrirotra, araka ny tsiliantsofina re ireo ankolafy politika satria samy te hahatafiditra ny olony eny Mahazoarivo. Ny Frantsay te hampiditra ny olony. Tsy eken’ny Amerikanina sy ny mpamatsy vola mahazatra tahaka ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena anefa izany koa dia mbola mifanazava tsara aloha ny andaniny sy ny ankilany. Efa tsy mahagaga moa ny fifandiran’ny mpanao politika malagasy, ka tsy tokony hahataitra intsony raha ny SADC mihitsy atsy ho atsy no manome ny anaran’izay ho praiminisitra. Raha ny fahitana azy dia tsy afaka ny hijijy baolina samirery intsony ka hanendry izay olona mitovitovy firehana sy fomba fijery aminy Atoa Andry Nirina Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy amin’ity indray mitoraka ity fa efa samy mailo ny rehetra.

Ny voasoratra ao amin’ny sori-dalana efa mazava fa olona tsy mitovy firehana politika na fotokevitra amin’ny filohan’ny FAT no tendrena ho praiminisitra. Manara-maso akaiky an’io ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy hoe soratra fotsiny natao haingon-taratasy io. Ka izany no mahatonga ireny fanampim-panazavana avy amin’Atoa Marius Fransman ireny izay manamafy fa olona avy amin’ny mpanohitra no tokony ho praiminisitra. Teo ihany koa ny taratasy mivantana any amin’ny filohan’ny FAT avy amin-dRtoa Ashton Cushner, lehiben’ny diplaomasia eoropeanina, izay milaza fa praiminisitry ny marimaritra iraisana tena izy no andrandraina. Politika moa no atao ka mazava be fa tsy maintsy mikendry lanitra mba hahavoa tendrombohitra ny ankolafy tsirairay avy. Manomboka mazava koa izao ny resaka fa firehana roa ihany no tena misy eto, ary izay no fahitan’ny sehatra iraisam-pirenena azy dia ny mpanohitra sy ny mpanohana ny FAT.

Ny ankolafy Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy tsy namadika palitao no mpanohitra, ireo manohana an’i Andry Rajoelina hatramin’ny 2009 sy ireo rehetra ao anaty fitondrana mialokaloka amin’ny hoe mpanohitra tony fihetsika na hery afovoany kosa no atao hoe mpanohana ny FAT. Raha izay no fisehony dia avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ihany izany no ho praiminisitra. Ho hita eo ihany ny ho tohiny satria mbola mandeha ny dinika avo lenta, tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany any. Ary ny foloalindahy malagasy dia mbola manana ny heviny tsy azo hamaivanina ihany koa ny amin’izay olona hipetraka eny Mahazoarivo.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT