Politique

Fanendrena praiminisitra Tsy hanaiky ny miaramila raha olon'ny ankolafy Ravalomanana no lany ?


  • Alakamisy 27 Oktobra 2011

Miely ny feo ankehitriny fa misy andiana miaramila miomana hanao zavatra aorian'ny fanendrena ny praiminisitry ny marimaritra iraisaina.

 Araka ny loharanom-baovao dia ny fiverenan'ny filoha Marc Ravalomanana no tsy eken'ireto andiana miaramila ireto. Ny fanendrena izay ho praiminisitra iraisana avy amin'ny ankolafy Ravalomanana anefa dia anisan’ny hanafaingana ny fiverenan’ny filohan'ny ankolafy. Noho izany dia tsy eken'ireto miaramila ireto izany. Nisy mihitsy aza ny resaka fa mety hanao zavatra izy ireo raha toa ka izay no mitranga. Etsy andaniny, dia tsy vitsy ihany koa ireo miaramila izay efa tonga saina noho ny fahapotehan'ny firenena.

Milaza ireto farany fa tsy hanaiky atao fitaovana politika intsony satria mahalala marary ihany koa ny fianakavian'izy sy ny vady aman-janany amin'izao fotoana izao noho ny halafon'ny vidim-piainana. Ilaina noho izany ny hisian'ny filaminana amin'izay. Nambaran'izy ireo ihany koa fa na ataon'ny FAT aza izay mahafa-po ny miaramila amin'izao fotoana izao dia tsy afa-miala kosa ny fianakavian'izy ireo tsirairay avy. Dia ho sanatria ve hoy ireto miaramla miandrandra filaminana ireto dia hisy indray ny hanakorontana raha toa ka mirona mankany amin'izay ezaky ny filaminana izay ny famahana ny krizy. Nilaza moa ny sasany tamin'ireto miaramila ireto fa mety hanao zavatra ihany koa raha toa ka mifanipaka amin'ny tondrozotra ny fanendrena izay ho praiminisitra eo.

Solonirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT