Politique

Fanendrena praiminisitra sy CST ary CT “Sonia ihany no hataon-dRajoelina”, hoy Ravelonanosy Mamitiana


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2011

Amiko, hoy Ravelonanosy Mamitiana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, na dia hoe tsy mandeha amin’izay andrandrain’ny SADC azy ara-poto-kevitra sy araka izay voasoratra ao anatin’ilay tondrozotra farany teo aza ny zava-misy dia azo lazaina hoe mahabe fanantenana ihany ny firosoana amin’ny famahana ny krizy eto amintsika.

 Ny olana, i Andry Rajoelina dia olona tsy mpanaja ny sonia nataony ka sao dia hitohy indray izany amin’ity indray mandeha ity. Nitondra fanamarihana vitsivitsy moa izy, toy resaka lalàmpanorenana nofidiana tamin’ny 2010 ireny, izay aminy dia tsy manara-penitra. Mikasika ny fanendrena praiminisitra indray dia raharaham-panjakana io ka raha ny marina dia ny aty amin’ny ankolafy mpanohitra no tokony hanolotra anarana dia sonia fotsiny sisa ataon-dRajoelina. Tahaka izany koa ny amin’ireo mpikambana CST sy CT, tokony ho ny ankolafy izay manana anjara toerana amin’izany no manolotra ny anarana dia sonia ihany koa sisa ataon-dRajoelina. Fa ny tena zava-dehibe ho an’ny ankolafy Ravalomanana misy, hoy ity depioten’Ankazobe ity, ny fidirana ao anatin’ny rafitra tetezamita dia mba hampisy lanjany am-boninahitra ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana sy famerenana azy ho filoha amin’ny alalan’ny fifidianana. Fanamarihana manaraka izay tsy misy mpiresaka loatra nefa tena mahamaika dia ny hoe : ahoana no hanatanterahana fifidianana malalaka sy eken’ny rehetra ? Izany hoe ahoana no ahazoana CENI tena mahaleotena, tsy miandany atsy sy aroa ary iarahan’ny rehetra ny hevitra fanatanterahana azy ?
Manaraka izany, hoy izy, dia tokony ho hentitra ny Fikambanana iraisam-pirenena, ny SADC, ny TROIKA sy ny Biraon’izy ireo hapetraka eto amin’ny fanaraha-maso ny asan’ireo mpifanandrina sy ny fanatanterahana ilay tondrozotra ka hanasazy avy hatrany an’izay mandika ny fanajana ny sonia. Farany, ho an’ny Frantsay dia tokony hahatsiaro amin’izay izy ireo fa mpiara-miasa izy fa tsy mpanjanaka na mpitavana ny haren’i Madagasikara fotsiny ka hametraka politika maloto eto amintsika hatrany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT