Politique

Fanendrena praiminisitra Samihafa ny resaka


  • Alarobia 02 Novambra 2011

Mbola miteraka adihevitra hatreto, indrindra ho an’ireo mpanohitra ny FAT ny momba ny fanendrena an’ingahy Omer Beriziky ho praiminisitry ny marimaritra iraisana.

 Nanamarika iny fotoana teny Iavoloha ny zoma 28 oktobra 2011 iny ny nivoahan’ny delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ny trano raha nanambara i Andry Rajoelina fa i Omer Beriziky no praiminisitra. Araka ny fanazavan’i Mamy Rakotoarivelo izay lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana ary nohamafisin’ingahy Olivier Rakotovazaha tao amin’ny kianjan’ny Magro ny alatsinainy 31 oktobra lasa teo, satria teny an-toerana ity sekretera jeneralin’ny MFM, fa dia toromarika avy amin’ny filohan’ny ankolafy, izany hoe ny filoha Marc Ravalomanana no nivoahan’izy ireo ny trano.

Tsy eken’ny ankolafy Ravalomanana ny fomba nanendrena ny praiminisitra satria tsy voahaja ny tondrozotra, indrindra ny andininy faha-5 dia ny hoe avy amina firehana tsy mitovy amin’i Andry Rajoelina, izay iray, fa eo ihany koa ny hoe tsy nohajaina ilay hoe tenierana satria tsy niatrika ny dinika ho amin’izany ary tsy nahafantatra izay hotendrena ny ankolafy Ravalomanana. Manoloana izany dia niala ny efitrano fivoriana izy ireo ary nilaza fa hisintaka aloha. Tetsy andanin’izany anefa, ireo mpitaritolona sasany tetsy amin’ny kianjan’ny Magro izay tsy teto Antananarivo fa nihazo an’i Mahajanga sy Antsohihy nanomboka ny zoma ka hatramin’ny alahady dia hafa ny resaka. Nambaran’ny depiote Rodin Rakotomanjato, ohatra, fa nifaneken’ireo filoha iny fanendrena an’i Beriziky iny. Niezaka nanamboatra ny sain’ireo mpiara-mitolona ihany koa i Guy Maxime Ralaiseheno fa dia vato mihantona eo amin’ny lohan’i Andry Rajoelina ny nanendrena an’i Omer Beriziky ary i Zafilahy Stanilas izay nilaza fa tendrin’Andriamanitra mihitsy no nahalany ity kandidan’ny Pr Zafy Albert ity ho praiminisitra, ary nampiany fa raha ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana no lany teo, izany hoe ny iray tamin’i Manandafy Rakotonirina na Botozaza Pierrot dia mety tsy ho tratra ny tanjona satria hoe olon’ny ankolafy Ravalomanana.

Nohamafisin’ny depiote Henri Randrianjatovo koa fa tsy tokony ho taitra na hisendaotra ny vahoaka. Izy efatra mirahalahy ireo moa dia nitarika ny dia tany amin’ny faritra avaratra, ao anatin’ny fampielezana ny tolona. Raha tsiahivina anefa dia nafana ny maripana tao an-kianja ny ampitson’ny fanendrena ny praiminisitra. Nivoaka mihitsy moa ny resaka fa dia hirotsaka an-dalambe izy ireo raha toa ka tsy hanaraka ny sori-dalana ingahy Omer Beriziky, rehefa vita ny famindram-pahefana. Manoloana izany rehetra izany dia tsy vitsy ireo nametra-panontaniana ny amin’izay tena tiana hatongavana satria tsy mitovy ny tadin-dokangan’ireo mpitarika. Sanatria ve dia tonga indray ny fotoana mety hahazoan’ny sasany seza ka hanara-dia ireo nikopak’elatra teo aloha. Ny ho avy no hamantarana izany. Ny delegasiona teny Iavoloha moa dia nanamafy fa ny fanapahan-kevitra sy ny fihetsika rehetra dia nahazoana fankatoavana sy toromarika avy amin’ny filohan’ny ankolafy avokoa dia ny filoha Ravalomanana. Nitohy tsy tapaka ny hetsika tao amin’ny Magro Behoririka, eny fa na omaly 01 novambra aza.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT