Politique

Fanendrena praiminisitra Mitaky fahatsapan-tena ilay andininy faha-5 amin’ny sori-dalana


  • Alarobia 26 Oktobra 2011

Hotendrena amin’ity alarobia 26 oktobra ity sa tsia ny praiminisitry ny marimaritra iraisana ? Izay no fanontaniana niverimberina teo ambavan’ny maro hatry ny omaly.

 Raha ny tetiandro voarakitra amin’ilay fepetra lasitra ho fampiharana ny tondrozotra nosoniavin’ny mpanao politika ny 14 oktobra 2011 tao amin’ny Colbert mantsy dia mialoha ny 01 novambra 2011 no hamantarana io praiminisitra io. Ny resaka am-bava nivoaka ny alarobia 19 oktobra 2011, teny amin’ny Le Paon d’Or Ivato, nandritra ny fanateran’ireo vondrona mpanao sonia ny sori-dalana ny anaran’ireo kandidany avy ho praiminisitra anefa dia amin’ity alarobia 26 oktobra ity no hanendrena izany praiminisitra izany. Io moa dia tokony hanaraka ny andininy faha-5 ao amin’ny sori-dalana.

Fepetra roa mazava no voarakitra ao dia ny hoe sady tsy tokony ho iray faritany fiaviana amin’ny filohan’ny tetezamita ilay praiminisitra hotendrena no tsy iray firohotana politika aminy ihany koa. Mora am-pitenenana io andininy io saingy raha dinihina sy heverina ny foto-kevitra lehibe ao anatiny dia tena miantso ny fahatsiarovan-tenan’i Andry Rajoelina, izay nekena ho filohan’ny tetezamita, sy ny mpanao politika Malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy, mba tsy hisian’ny fitapitaka hampiteraka savorovoro saro-bahana indray. Eo aloha ilay resa-piaviana. Any amin’i Andry Rajoelina ny baolina ny amin’io.

Ny tsy filazany mazava ny faritany fiaviany dia mety mandiso ny safidin’ireo vondrona politika tamin’ny fisafidianana ny kandidany. Eo amin’ilay firohotana indray, dia manana adidy hilaza mazava izay mpiara-dia aminy hatramin’izay koa i Andry Rajoelina, mba hahatsotra ny resaka. Sao rehefa misy voatendry eo vao hivoaka avokoa izao dosie rehetra izao fa mpanohana ara-bola, ankolafy Rajoelina ihany ilay praiminisitra, ka ho fifanjevoana indray koa no hiafarany. Etsy andanin’izany dia tokony hahatsapa tena koa ireo vondrona politika nanolotra kandida, mba tsy hampijabaka an’i Andry Rajoelina amin’io resaka fanendrena olona ho praiminisitra io. Tsy azo atao ankamehana fa mila fahamalinana fatratra, araka izany, ny fampiharana io andininy faha-5 amin’ny sori-dalana io. Eo isika mahita izy !

Jean D.

Sary: Fampihaonana ireo kandida Praiminisitra tao Ambohitsorohitra (sary : Rakotobe)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT