Raha ilay tetiandro nomen’ireo vondrona politika ny filohan’ny FAT dia tokony ho ato anatin’ny roa andro ity farany no hanendry ny praiminisitra vaovao hitantana ny governemanta, araka ny voalazan’ny sori-dalana nosoniavina teny Maibahoaka Ivato ny 17 septambra lasa teo.
Efa maromaro ireo anarana nalefa eny Ambohitsorohitra eny. Tsiambaratelo moa ilay izy, ary tsy misy mahafantatra ny tena marina ny olon-tsotra, eny fa na ny mpanao gazety aza dia tsy nahare tsiliantsofina mikasika izany mihitsy. Taorian’ilay araka ny feo mandeha avy fanambaran’ny SADC ny alahady lasa teo anefa dia nangingina indray ao ambonimbony ao ity fanendrena praiminisitra ity, satria mbola ho avy eto Antananarivo indray izany ireo iraka manokana avy amin’ny Troika hamaritra mazava ny fomba hanatanterahana sy hampiharana ny voasoratra ao amin’ilay sori-dalana. Efa hita taratra rahateo fa manomboka mifanenjana indray ny mpanao politika Malagasy.
Tsy maintsy ho tonga ny mpanelanelana handamina ny raharaha fa raha ady gasy araka ny fomba fiteny no hatao eto dia ady seza mety hiafara amin’ny ady an-trano no hitranga. An-kavitsiana mantsy ireo mpanao politika tena tia tanindrazana, tsy maika ny hahazo toerana fa vonona kosa hikaroka ny vahaolana sy ny marimaritra iraisana mba hivoahana amin’ny krizy. Fantatra ihany koa fa na dia ireo mpanao politika samy ao anatina vondrona iray aza misy tsy mitovy hevitra ny amin’izay olona hotendrena ho praiminisitra. Ny tena mampifanipaka ny hevitra dia ny momba ny jeneraly Camille Vital, izay tian’ny mpomba an’i Andry Rajoelina ho praiminisitra mandra-pahavitan’ny tetezamita, kanefa tsy eken’ny Ankolafy telo sy ireo vondrona politika hafa, ary tsy metimety amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa noho izy efa hita mibaribary fa ankolafy Rajoelina no manao teny feno avona sy fandrahonana amin’ny mpanohitra, izany hoe tsy manana toetrana praiminisitry ny fampihavanam-pirenena mihitsy. Raha fintinina ny resaka dia tsy mbola ho amin’ity herinandro ity no hahafantarana ny anaran’izay ho praiminisitry ny tetezamita. Tsy maintsy mbola hisy indray mantsy ny fihaonan’ireo ankolafy politika miaraka amin’ny Troika SADC dia aorian’izay vao ho hita ny marimaritra iraisana dia izay vao hivoaka ny anaran’izay ho praiminisitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.