Raha manao tohivakana ireo fahatongavan`ireo ambasadaoron`ny firenena vahiny hiasa eto Madagasikara dia mihazohazo hatramin`izao ny fanendrena ambasadaoro Malagasy any ivelany any.
Nofoanana nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin`ny 13 febroary 2019 ny didim-panjakana manendry ireo ambasadaoro Malagasy miisa sivy sy kaonsily jeneraly roa tany ivelany. Raha ny fantatra dia efa mandeha ny fifampiraharahana maro samihafa amin`ireny firenena misy ireo masoivohontsika. Efa niroso amin`ny fandefasana “lettre d`accréditation” ka miandry ny faneken`ireo tompon’andraikitra avy any ivelany. Zava-dehibe ny fametrahana ireo ambasadaoro any ivelany saingy tokony hitodika amin`ny diplaomasia toekarena isika fa tsy te hamirapiratra hahazo ny fankatoavana avy any ivelany fotsiny.
|
-Ireo ambasadaoro miisa sivy nampodiana: Etazonia, Canada, Senegal, Etiopia, izay solontena maharitra teo anivon`ny Vondrona Afrikanina, Ambasadaoro teo anivon`ny Firenena Mikambana, Soisa, Grande Bretagne sy Irlandy Avaratra, Rosia, Sina -Ireo kaonsily jeneraly miisa roa nampodiana: La Reunion, Marseille-Frantsa |
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.