Fanendrena governemanta

Nakisaka ny olon’ny 2009, tsy dia tazana ry UPAR…


  • Alatsinainy 15 Janoary 2024

Ara-politika, nisy tamin’ireo olon’ny volomboasary nanamarika an-dRajoelina hatrany

amin’ny tetezamita no tsy tafaverina, dia ny Minisitry ny fanajariana ny tany Atoa Pierre Houlder sy ny Minisitry ny raharaham-bahiny Rtoa Yvette Sylla. Tsy tafaverina amin’ny toerany ihany koa ny Minisitry ny Asa tànana Rtoa Sophie Ratsiraka, zanaka vavimatoan’ny Filoha teo aloha efa nodimandry Amiraly Didier Ratsiraka. Tsy nisy tafiditra tao anatin’ny governemanta ihany koa ireo kandida Filoham-pirenena, na teo aza ny resaka nandeha fa mety hisy roa handrafitra ny governemanta. Raha nandeha ny tombatombana amin’ny mety hametrahana Praiminisitra lefitra miisa 3 mifandraika amin’ireo andry 3 nambaran’i Andry Rajoelina fa hiankinan’ny laharam-pahamehana (Sosialim-bahoaka sy ny ady amin’ny fahantrana, fampiroboroboana ny indostria, fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana) dia fananganana Sekretariam-panjakana amin’ireo no toa làlana hizorana. Tsy anisan’ireo tazana ao anatin’ny governemanta ihany koa ireo mpanao politika avy amin’ny vovonana nanohana an-dRajoelina toy ny UPAR (Union Pro Andry Rajoelina) toa an-dry Paul Rabary, Rina Andriamandavy V, fa ny Filohan’ny Freedom izay efa minisitra tao ihany no tafaverina, fa nafindra any amin’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika. Betsaka tamin’ireny no nisafidy an-dRajoelina noho ny vola, ny herijkika ho lany noho ny volomboasary mbola teo amin’ny fifehezana ny rafitra samihafa sy ny fitantanan-draharaham-panjakana,… Na ireo anarana nalaza ho Praiminisitra toa an-dry Jeneraly Camille Vital, Fienena Richard,… aza tsy tafiditra. Mirona kokoa amin’ny hoe : governemanta teknisianina ve ? Toa maneho fa tsy manana olona tena resy lahatra ara-politika niaraka taminy hatrizay i Andry Rajoelina fa efa tonga eo vao mitady ekipa ankoatra ny famadibadihana ny efa tonta ? Sa io no manamarina fa mety ho vonjimaika ihany fa afaka enim-bolana dia mety hisy fiovana ? Sa misy toerana hametrahana hametrahana ireo mpanao politika niova toerana ? Mety hisy hatao sekreteram-panjakana na koa halefa ambasadaoro ? Ny Fitondrana Rajoelina izay tsiahivina fa tsy nahatendry afatsy ambasadaoro miisa 5 tao anatin’ny 5 taona izay mariky ny faharefoan’ny diplaomasia fa eo ihany koa ny tsy fananam-bola. Sa kosa halefa ho kandida amin’ireo fifidianana mbola ho avy ireo tsy tafiditra tao anatin’ny sambo fiaran’ny governemanta ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT