Politique

Fanendrena Ambasadaoro Hampiteraka an’Ambatobevohoka i Yvette Sylla ?


  • Zoma 03 Martsa 2023

An-dàlana ny dingana fanendrena masoivoho any ivelany, ary mbola tsy tara, raha ny firesaky ny Minisitry ny raharaham-bahiny vaovao Rtoa Yvette Sylla omaly, nandritra ny fanamarihana ny faha-63 taonan’ny

fahaleovantenan’I Japon omaly. Nambara fa efa fantatra ny anaran’ireo hotendrena sy ny toerana handefasana azy, saingy mbola miandry ny fankatoavana any amin’ireo firenena hanendrena azy. Tsy afaka mahafantatra avy hatrany isika hoe : tonga dia hamaly sa mbola handinika ireny firenena ireny, hoy hatrany io Minisitra io, izay nanamarika fa dingana tsy azo hihodivirana izany. Ny laharam-pahamehana dia hametraka ireo ambasadaoro sy masoivoho any amin’ireo firenena izay misy masoivoho sy kaonsilàntsika. Hanana anjara asa hampisandrahaka sy hampitombo ny lazan’I Madagasikara any ivelany ireo masoivoho, ary afaka ihany koa hisintona ireo mpampiasa vola ho avy eto Madagasikara, hitondra ny feon’I Madagasikara, hoy hatrany io Minisitra io. Nanamafy hatrany izy fa isan’ireo laharam-pahamehana ho an’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny fanendrena masoivoho, araka ny efa nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina nandritra ny fampahafantarana ireo Minisitra vaovao ny 23 febroary teo teny Iavoloha. Nambara mihitsy aza tamin’izany ny hoe hisy ny fanendrena masoivoho vao mandeha ny filankevitry ny minisitra amin’ny herinandro, saingy tsy nahitana izany aloha ny alarobia teo. . Amin’ireo toerana 22 izay misy fisoloana tena an’i Madagasikara, zara misy 4 no tantanin’ny Ambasadaoro dia ny any Frantsa, Chine, Maorisy, ary ny any amin’ny Vondrona Eoropeanina any Bruxelles. Minisitra ny raharaham-bahiny fanimpitony io milaza io indray fa handeha ny fanendrena ka asa hoe : hahavita hampiteraka an’Ambatobevohoka tokoa ve fa tamin’ny andron’i Patrick Rajoelina no efa nolazaina fa 303 ireo hisafidianana ? Mbola misy azo antenaina ve ato anatin’ny 6 volana farany hitondran’ny Filoha ankehitriny?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT