Politique

Fanemorana fifidianana Tsy tokony hatao fitaovana hametrahana PDS fotsiny !


  • Alarobia 31 Jolay 2019

Tsy tokony hisy ny fifidianana raha tsy misy ny didim-pitondrana iantsoana ny mpifidy izay avoaka ao amin’ny filankevitry ny minisitra, hoy ny manampahaizana momba ny fitantanana raharaham-panjakana, Andriamorasata Julien,

 

 

raha nanontaniana ny heviny mikasika ny fihemoran’ny fifidianana ben’ny tanàna. 3 volana aorian’izay izany no tokony handeha ny fifidianana kaominaly. Mety ny fanemorana raha hanitsiana ny tsy mety rehetra. Hisorohana ny hala-bato sy hosoka mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Mety raha hijerena ireny verin-droa anaty lisitra sy olona tsy tafiditra anaty lisitra ireny. Ny kolikoly eny anivon’ny fanjakana foibe sy rantsa-mangaikan’ny CENI koa jerena satria misy solontenam-panjakana daholo any, hoy ny tenany. Io no tena manahirana sy mahatonga ny olona tsy matoky intsony ny fikarakarana fifidianana eto ka antony maha vitsy ny mpifidy. Fa raha noho ny kajikajy politika kosa no hanemorana azy dia tsy fangaraharahana izany. Sakana ho an’ny fampandrosoana ary matetika miafara amin’ny krizy politika. Ohatra, efa resaka mandeha izao ny hoe mety hahafahana mametraka PDS no antony. Mila tadidiana fa tsy apetrapetraka fotsiny izany PDS izany raha tsy misy tsy filaminana manokana na hoe “conjuncture exceptionelle”, hoy izy. Ny fifanarahan’ny 31 oktobra, ohatra, nisy krizy dia iny no nahatonga nametraka PDS hatrany amin’ny fivondronam-pokontany fa tsy kaominina fotsiny. Azo apetraka koa ny PDS raha misy didim-pitsarana manameloka mpitondra. Tsy tokony haharitra anefa io fa mila mandeha ny fifidianana aoriana kelin’izay. Raha tapitra ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny tanàna dia mbola ara-dalàna raha misy ny fitantanana fohy omeny ny lefiny raha hilatsaka ilay ben’ny tanàna fa raha hoe tapitra ilay fe-potoana dia soloana delegasionina manokana dia tsy mety, hoy hatrany ity manampahaizana ity. Mbola manana 3 volana isika na amin’ny herinandro aza no mivoaka ny didim-pitondrana hanatsarana ny fifidianana mba ho ara-potoana. Azo atao ny manolo tompon’andraikitra satria misy amin’izy ireny no efa ela nihetezana teo dia lasa zatra manohy fomba mamoafady na “mode opératoire routinier” satria tsy voasazy. Fony mbola minisiteran’ny atitany fotsiny no nikarakara fifidianana dia kely ny tetibola nanaovana fifidianana fa vita ihany ary tsy nihoa-pampana toy izao ny tsy fahatomombanana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT