Fanemorana fifidianana

Nandefa taratasy amin’ny HCC ny kandida Andry Raobelina


  • Talata 10 Oktobra 2023

Nanatitra taratasy teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC ny Kandida Andry Raobelina

tamin’ny alalan’ireo mpisolovava azy ny mba hanemorana ny fifidianana. Ny andininy faha-47 amin’ny lalàmpanorenana, dia milaza fa raha misy fahafatesana kandida na zavatra tsy azo hihodivirana (en cas de force majeure), dia tsy maintsy mandray fepetra. “Ilay tranga faharoa no zava-misy, vokatry ny tifitra nahazo azy nidona tamin’ny lohany. Mazava ho azy fa tokony hihemotra ny datim-pifidianana”, hoy ny mpisolovava Eric Rafidison. Nanome taratasim-pahasalamana 30 andro azy ny mpitsabo raha ny fanazavan’I Andry Raobelina omaly izay tonga niray fo taminy ny Firaisankinan’ny kandida. Afaka mandeha fa vao mandeha kely dia reraka, ny maso no misy voa, ary misy marary ny ilany amin’ny loha. Amin’ny maha olombelona, dia tsy maintsy mandeha mitsabo tena. Tsy afaka ny hitovy lenta amin’ny kandida rehetra, ary nanipika fa tsy avy aminy no nahatonga izao, ka nametrahana io taratasy io amin’ny HCC mba hampihatra ny lalàmpanorenana. Nisy moa ny loharanom-baovao tsy ofisialy azo nilaza tsy nomena alalana ny fiaramanidina manokana saika hitondra io kandida io, ka voatery nandeha tamin’ny sidina mahazatra.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT