Fanemorana fifidianana, kajy politika maloto

Viraviraina amin’izay maha metimety ny lalàmpanorenana…


  • Talata 16 Janoary 2024

Hiditra ho herinandro izao no fahalanian’ny fe-potoana iasan’ny ben’ny tanàna manerana ny Nosy,

izay ahitana kaominina miisa 1695 eo ho eo. Tsy mbola nisy aloha hatreto ny didim-panjakana manalava ny fe-potoana iasan’izy ireo ka asa na hotanterahana amin’ity herinandro ity izay hisian’ny filankevitry ny Minisitra taorian’ny fanendrena ny governemanta amin’ny endriny vaovao. Betsaka ny ahiahy momba ny fampandehanan-draharaham-panjakana eny anivon’ny kaominina. Toa tsy rototra amin’izany anefa ny mpitondra Fanjakana, izay mbola somokotra amin’ny kajy politika maro samihafa. Ny ben’ny tanànan’Antananarivo aza efa «nipitsika » teo anivon’ny CUA, ary lasa nitsotsotra any amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana. Iza no hatao PDS hisolo azy ? Mbola ny fifidianana depiote aza no kasaina hatao voalohany hikendrena ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimierampirenena. Ny loharanom-baovao tsy ofisialy avy any anatin’ny Fitondrana dia milaza fa ny volana aprily izao no hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka ary ny jolay ny kaominaly, raha tsy misy ny fiovana. Midika aloha izany io, fa azo hitsakitsahina ny lalàna rehefa ho an’ny tombotsoa politikan’ny mpitondra, fa atao litania ny fanarahana azy rehefa ho amin’izay tombotsoany izay hatrany. Azo atao ny manemotra sy tsy mikarakara fifidianana ben’ny tanàna izay efa lany taom-piasana, fa natao amboletra sy nanaovana kiribiby ny fifidianana filoham-pirenena na teo aza ny fitakiana samihafa amin’ny tokony hanatsarana sy hanadiovana izany. Novoizina mafy fa lany taom-piasan’ny Filoha, ka tsy maintsy mifidy Filoham-pirenena vaovao, kanefa io miharihary io, fa ny fifidianana ben’ny tanàna toa dinganina. Marina fa misy ilay lalàna momba ny fampitomboana ho 5 taona ny fe-potoana hiasan’ny ben’ny tanàna, izay miandry ny pitsopitsony toy ny fankatoavan’ny HCC sy didy fampiharana, saingy mbola tsy mihatra amin’ireo ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ankehitriny io (Non-rétroactivité de la loi) fa amin’izay ho ben’ny tanàna lany manaraka eo. Mbola voafaritry ny lalàmpanorenana araka ny andininy faha-154 amin’ny lalàmpanorenana ihany koa ny fifidianana Filohan’ny faritra sy mpanolontsaim-paritra, izay novain’ny Fitondrana Rajoelina ho governora. Hanaja ny lalàna sa mbola handeha amin’ny kitendritendry sy kinamanamana ihany koa ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT