Politique

Fanelanelanan’ny vazaha Notsipahin’ireo depiote 73


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Mitady hanjakazaka indray ny vazaha ! Te hametraka dian-tanana, hifehezana ny Malagasy amin’ny famahana izao krizy politika lalovan’i Madagasikara izao.

 

Nisy omaly hariva, tetsy Ankorondrano, ny fampiantsoan’ny Vondrona Afrikanina, ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD), ny Vondrona Eoropeanina ary ny Frantsay nampihaonana an-databatra boribory ny mpitondra fanjakana nosoloin’i Rivo Rakotovao tena, filoha nasionalin’ny antoko HVM sady filohan’ny Antenimierandoholona, an-daniny sy ireo avy amin’ny Solombavambahoakan’ny fiovana misy ny TIM, MAPAR, MMM ary Tsy miankina, an-kilany. Manao tsindry ireo vazaha manoloana ny toe-draharaha, manery ireo depioten’ny fiovana hanaja ny rafitra sy ny andrimpanjakana misy ary koa handamina ny mpiara-dia amin’izy ireo, fa hiroso amin’ny fifanarahana politika hisian’ny fitoniana. Naharitra adim-pamantaranandro roa teo ny fifandaharana. Niakatra ny feo, nifanenjana ny an-daniny sy ny an-kilany. Tsy arakaraka ny teny malefadefaka nataony ny harivan’ny sabotsy 21 aprily i Rivo Rakotovao, hoy ny loharanom-baovao, fa dia naneho indray ilay toetra feno fieboeboana efa ahafantaran’ny maro azy. Tsy azo nohozongozonina koa anefa ireo depioten’ny fiovana. Tsy mihevitra ireo vazaha ireo ho mpanelanelana ny depiote ary dia notsipahin’izy ireo marindrano izany. Rava maina ny fihaonana ary nilaza ny tsy hanohy izany ireto depioten’ny fiovana ireto, fa hitazona ny efa nambaran’izy ireo tamin’ny vahoaka teny an-kianja tao anatin’izay dimy andro niandohan’ny hetsika izay.

 


 

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT