Efa tafiditra ao anaty krizy politika tanteraka isika amin’izao fotoana izao, na tsy mbola tena miantraika be amin’ny fiainana ara-tsosialy sy toekarena aza izy io, saingy efa manomboka ho mena ny tondro rehetra.
Tsy misy aloha ny tena fifanatonana sy fifandaminana ofisialy, fa dia samy maka ho azy sy toa mbola mifanome taim-bava ireo mpikatroka. Higadona rahampitso alahady i Joaquim Chissano, filoha Mozambikanina teo aloha hanelanelana sy hampihavana ny Malagasy, hono. Manomboka mihetsika ihany koa ny FFKM, raha toa ka tsy dia andrenesam-peo firy ny avy amin’ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM. Tsy fanilihana vahiny sanatria, fa ny Malagasy mifandamina sy mifanaraka no tsara indrindra, fa tsy ny iraisam-pirenena foana no hanindry eto. Na io zava-misy ankehitriny mampikoropaka ny vahiny sy hidirany an-tsehatra io aza mety tanjona tsy hahatongavana amin’izany no ao ambadika, fa tsy resaka adin’ny HVM sy ny Mapar sy miampy ny TIM, saingy isika no tsy mety tonga saina. Mety hofandrihana indray ny Malagasy satria mety maro ny firenen-dehibe ho very fihinanana eto, raha tena mihavana isika sy tena miaro tanindrazana. Raha miray hina isika mety lasa revolisionina lehibe ny zava-miseho, ary hahavita zavatra tahaka an’i Rwanda sy Afrika Atsimo amin’izay raha tena vonon-kihavana sy hisaina ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena tokoa, fa tsy an-tendromolotra sy feno fihatsarambelatsihy lava. Firenena nisian’ny fifamonoana sy fifandripahana mivantana i Rwanda, ary potiky ny adin’ny mainty sy ny fotsy i Afrika Atsimo, saingy mamiratra indrindra aty Afrika amin’izao fotoana izao. I Madagasikara no anisan’ny firenena tsy nandalo ady goavana toy ny adim-poko tsy ifankahitana tao anatin’ny 50 taona, kanefa tsy nandroso mihitsy. Adilahy politika miotrika sy ny toe-tsaina lavitry ny fitiavan-tanindrazana ny antsika no tena manimba, ary tsy ho tafavoaka mihitsy, raha tsy misy ny fahatongavan-tsaina faobe miainga any amin’ny mpitondra sy ny mpanao politika. Revolisiona be mihitsy raha samy mamela ny hambom-po diso toerana, ary tena mifandamina fa tsy mody mifandamina ny samy Malagasy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.