Fandrosoana lazaina hafainganina

Efa tena fanesoam-bahoaka manara-penitra…


  • Zoma 05 Jolay 2024

Isaky ny manao lanonam-pitokanana kely na fanombohana fotodrafitrasaka,

dia lazain’ny Filoha Rajoelina fa hafainganina ny hafainganam-pandehan’ny fampandrosoana. Noresahana io tamin’ny fitokanana ny Miami sy ny Boulevard Ratsimilaho tany Toamasina, naverina io tamin’ny fihetsiketsehana teny Ambolo Talatan’i Volonondry afak’omaly,… Tsy vao izao no nitondra firenena i Andry Rajoelina fa efa hatramin’ny tetezamita (2009-2013) nitohy ny 2019-2024 fa tsy hita izay tena hafainganam-pandeha, ary ny famaritana ny « fandrosoana » mihitsy no toa miova. Ny toekerana, ny fahefa-mividin’ny vahoaka, ny fahamarinan-toeran’ny fihariana, ny fananan’ny vahoaka asa mahavelona sy fahafahana mamokatra,… no handrefesana ny fandrosoana fa tsy ny fananana teleferika, hotely kintana 5, autoroute,… Tsy milaza mihitsy hoe : tsy ilaina ireny satria zava-dehibe ohatra ny «autoroute », fa ny lojikany dia tokony ho vokatry ny fandrosoana ireny, fa tsy azo adika ho famaritana ny fandrosoana satria lasa haingo ambony tsikoko raha mbola ny vahoaka no fadiranovana. Anisan’ireo firenena any amin’ny rambony eo amin’ny harin-karena isam-batan’olona na PIB/habitant izay manodidina ny 500 dolara isika, raha toa ka avo 20 heny amin’io ny atsy amin’ny Nosy Maurice izay 10 000 dolara isan’olona, ary 1300 dolara ny an’i Kaomoro izay nolazaina fa hampindramina vola. Voasokajy ho firenena faha-4 eran-tany fadiranovana indrindra, faha-45 amin’ny 52 aty Afrika marefo indrindra ara-toekarena, faha-124 amin’ny 125 eo amin’ny hanoanana,… Firenena nosokajian’ny World Justice Project ho isan’ny be kolikoly indrindra satria faha-134 amin’ny 142, ary faha-30 amin’ny 34 amin’ny Firenena aty Atsimon’i Sahara. Mby aiza ny tohin’ireo raharaha maro raha tsy hilaza afatsy ny fitantanam-bolan’ny coronavirus ? Ny trafikana harem-pirenena ? Midika fa tsy misy ny Fanjakana tsara tantana na « bonne gouvernance », tsy mahomby ny fitantanana ny firenena ka miha mitontongana ambony ambany ny firenena eo amin’ny tondro samihafa, ka anisany ny fitomboan’ny mahantra 7% tao anatin’ny 5 farany. Kikisan’ny fahantrana sy krizy vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena, ary taratr’izany ny famotehana sy fahapotehan’ny orinasam-panjakana maro io (Jirama, Air Madagascar, CNaPS, SECREN,…). Betsaka ny ambana ara-tsosialy sy ara-toekerana, toy ny fiakaran’ny vidin-tsolika, fidangan’ny vidim-piainana,… izay tsy ananan’ny Fitondrana vahaolana satria ny Fanjakana aza toa miha banky ropitra raha tarafina amin’ny fampihenana hatrany amin’ny 3000 miliara Ar mahery ny tetibolam-panjakana. Izao ve no atao hoe : fandrosoana fa toa efa lasa fanesoana manara-penitra?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT