Politique

Fandrangarangana hery sy sandry Hambo-po diso toerana no hamotehana firenena


  • Talata 21 Martsa 2023

Mivaona tanteraka amin’ilay hevitra fonosiny hatrany am-piandohana ilay “politika” dia ny tetika sy lamina hoenti-mitantana sy mampandroso fiarahamonina sy firenena.

Hoentina any amin’ny resaka tanjaka sy fanangan-tsandry tonga hatrany amin’ny fiteny mirefarefa amin’ny tany, vava tsy ambina, fanandratan-tena,... Ireny iaraha-maheno sy mahita ireny ny santionany, milaza azy ho zavatra, tonga hatramin’ny fitanisana fa tompondaka e, tsy resy amin’ny zavatra rehetra e,… Toa efa misy fitaizan-tsaina sy don-tandroka fa tsy maintsy handresy amin’ny fifidianana na dia iaraha-mahita izao aza ny tsy fahombiazana sy fihemoran’ny firenena izao. Dia mbola hoentina foana amin’ilay hoe: mahay mandrombaka fahefana fa tsy mahay mitantana ve? Tadiavina hatao sorona amin’ny fitiavan-tena sy fitiavam-pahefana hatrany I Madagasikara, ka hambo-po sy hena-maso no lalan-tsaina hitazonana na hakana fahefana. Raha mafy matanjaka ary tena mahay, inona no tsy nampiasana izany tamin’ny fitantanana ny firenena? Sao dia diso taranja satria firenena ity fa tsy haiady? Raha izao no vokatra nentin’ny milaza azy ho matanjaka sy tompondaka sy tsy mba mety resy izao, tena aleo hoentin’ny malemy ilay firenena, fa raha hery sy tanjaka hitondra ny Malagasy any amin’ny kizo foana tahaka izao aleo tsy misy e! Ny Malagasy mihitsy no efa resin’ny fahantrana noho ny tsy fahaiza-mitantana. Ny firaondraonana sy ny fiheronana ary ny mety ho endrika fandrahonana ihany koa amin’ny lafiny iray, dia mety ho taratry ny tahotra sy ny fahalemena. Hoentina amin’ny adihevitra mivaona, fanandratan-tena tsy mitondra mankaiza, fanasohasoana tsangan’olona lava,… sisa ny raharaham-pirenena, hany miha mitolefika hatrany. Asa rahoviana vao mba tonga any amin’ny hoe: ahoana no ahafahantsika miara-manasoa an’ity tanindrazantsika ity? Ahoana no ahafahantsika tena mitrandraka ny fahaiza-manaon’ny Malagasy hampandrosoana miaraka an’I Madagasikara? Ahoana ny hifehezana sy hamadihana ny harenantsika ho an’ny tombotsoa iraisana? Ahoana no ahafahantsika mametraka politika mazava sy fitsinjaram-pahefana ahafahana tena mampandroso ny faritra rehetra? Ahoana no hanavotana ny toekarena latsaka an-davaka? Toa tsy izay anefa no maharototra ny ankamaroany, fa ny hitazonana na hahazoana seza ahafahana mameno paosy, ahafahana manararaotra, mangalatra, manao kolikoly, manao tsindry hazolena,… Mila mahay mampiasa io fahefana io hanasoavana vahoaka raha tena tia tanindrazana, fotoana tokony hamadihana pejy izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT