Fandraketana an-tsoratra ny tranga anaty fifidianana

«Miankina amin’ny fifanarahan’ny mpikambana anaty birao»


  • Talata 28 Mey 2024

Tapitra anio tamin’ny 6 ora maraina ny fahafaha-manao fampielezankevitra ho an’ireo kandida solombavambahoaka.

Tsy tokony hisy intsony, noho izany, hoy ny mpampakan-tenin’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI, Soava Andriamarotafika, izay propagandy izay. Tsy tokony hisy famoriam-bahoaka intsony, hoy izy. Toy izany koa ny fanentanana anaty haino aman-jery, ny fametahana peta-drindrina, rehefa mety ho endrika fampielezankevitra. Tonga ny amin’ny 6 ora maraina ny 29 may dia hanokatra ny birao fandatsaham-bato ny mpikambana anatin’izany birao izany izay ahitana ny filoha, ny mpitan-tsoratra, ny «assesseur» na mpanara-maso mpanampy. Tokony hisy mponina efa eo. Tokony hisy solontenan’ny kandida efa eo. Ireo olona ireo no vavolombelona anehoana hoe ireto no fitaovana ho entintsika miatrika ny fanatanterahana fifidianana. Iaraha-mahita eo ny hoe mbola tsy nisy nikitika ny fonosan’ny biletam-pifidianana. Toy izany koa ny fitaovana ho ampiasaina hafa rehetra. Mila mandraikitra an-tsoratra ny zava-mitranga mandra-paharivan’ny andro ny rehetra. Miankina amin’ny fifanarahan’ny mpikambana rehetra anatin’io biraom-pandatsaham-bato io kosa nefa ny hoe tranga toy izao kosa ve dia tsy famenoana pejy fotsiny? Sao dia tsy voatery ho soratana ity na koa hoe ity kosa tsy maintsy soratana sy ny toy izany rehetra, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT