Tsy ho toerana lehibe hanatanterahana ny fihaonambe faha-45n’ny
Filoha sy ny Governemanta ao anatin’ny Fikambanan’ny Fampandrosoana an’i Afrika Atsimo (SADC) ny eny amin’ny Lac Iarivo, hoy indray ny seraseram-panjakana. Nambara ihany fa maro amin’ireo hetsika manodidina sy lanonana mifanandrify amin’ity fihaonambe ity no hotontosaina eny an-toerana, araka ny fanamarihan’i Gérard Andriamanohisoa, Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Fonenana (SENVH). “Efa hisy amin’ireo fotodrafitrasa kasaina hapetraka eny amin’ny Lac Iarivo no ho vita mialoha ny fahatongavan’ireo vahiny manokana”. Anisan’izany ny tanàna kanto na “village artisanal”, ny Lapan’ny fampirantiana (Palais des expositions), ny rano mitsifitsifitra eo amin’ny farihin’ Ivato, ary ny lalana manodidina natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Ankoatra izany, efa heverina ho azo ampiasaina ihany koa ny fanitarana ny lalana Tsarasaotra izay handraisana ireo fiara fitaterana mandeha amin’ny herinaratra hanompo an’Ivato mandritra ny fihaonambe. Ho an’ny ampahany amin’ny asa sisa amin’ny Lac Iarivo kosa, dia mbola hitohy aorian’ny fivoriambe SADC izany, hoy ny seraseram-panjakana. Lazaina fa anisan’ny andrasana amin’ireo fotodrafitrasa ho hita eny an-toerana ny Palais du futur et de l’innovation, trano lehibe iray hampiasana amin’ny angovo azo havaozina (masoandro) izay hanjary ivon-toerana ara-teknolojia ho an’ny tanora. Tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra ny 28 mey anefa no nilazana fa anisan’ny hovitaina mialohan’ny fihaonan’ny SADC ny toby mpihary herinaratra amin’ny masoandro 20MW sy ny fanitarana ny làlana. Nialohan’izay dia efa niparitaka ny makety samihafa toy ny Hotely mitsingevana Foibe Iraisam-pirenena ho an’ny Fihaonambe amin’ny Fihaonan’ny SADC. Nambara kosa ankehitriny fa ny CCI (Centre de Conférences Internationales) eny Ivato no hanatanterahana ny fivoriambe manokana. Soa ihany tokoa fa nanao ny CCI ny Fitondrana Ravalomanana, izay saika handraisana Fihaonamben’ny Vondrona Afrikanina saingy tratry ny fanonganam-panjakana ny 2009. Tsy vao sambany ny toy izao, fa ny lalaon’ny Nosy tamin’ny Aogositra 2023 dia nolazaina fa hatao eny amin’ny Tanamasoandro Imeritsiatosika ary efa namoahana « maquettes » maro be, ny train urbain efa tamin’izany no nomoahana serasera fa handeha manomboka ny 15 agositra 2023 fa mandrak’ity ny androany, ny teleferika nolazaina fa handeha milina manokana avy eo handeha amin’ny herin’ny masoandro dia mbola io mitsingevaeva tsy hita izay tena vokany io,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.