Fandraisana anjara amin’ny « Sommet Italie-Afrique »

Hitondra vokatra sa ho tahaka ny efa hita hatrizay ?


  • Talata 30 Janoary 2024

Nandray anjara tamin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Italie sy ny firenena Afrikanina na

Sommet Italie-Afrique » nizotra tao Rome ny 28-29 janoary i Madagasikara. Fiaraha-midinika amin’ireo tompon’andraikitra italiana isan-tsokajiny hametrahana sy hanamafisana ny fiarahamiasa amin’ny firenena Afrikanina io. Nisolo tena ny Firenena ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, mitarika ny delegasiona malagasy, sy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy Fanofanana arak’asa, Lalatiana Rakotondrazafy. Nisy ihany koa ny fihaonana amin’ireo tompon’andraikitra misolo tena ny firenena afrikana samihafa, ka ny 27 janoary no nihaona tamin’ny Minisitra lefitra afrikana tatsimo misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fiarahamiasa, Alvin Botes, ny delegasiona malagasy. Manana fifandraisana manokana ny firenena 2 tonta satria mpifanolobodirindrina rahateo no manana tantara iombonana teo amin’ny ady tamin’ny fanavakavahana sy ho an’ny fahalalahana, hoy ny fanamarihana. Nomarihina fa manana fiarahamiasa amin’ny sehatra ara-toekarena sy ara-politika maro i Madagasikara sy Afrika Atsimo, ary nanamafy ny mbola fahavononany hanohy izany, manamarika ny faha-30 taonan’ny fifandraisany ara-diplomatika rahateo ny firenena 2 tonta amin’ny taona ity. Andrasana indray izany ny vokatra miteraka tombony ambony apanga mikasika ity fihaonana an-tampony natrehana tany Italie ity. Tsy vao sambany rahateo ny fandraisan’anjaran’i Madagasika tamin’ireny fihaonana iraisam-pirenena na teo amin’ny samy firenena na rafitra iraisam-pirenena ireny izay nanaovana serasera samihafa. Hatreto anefa, mbola tsy tena hita taratra izany, raha tarafina amin’ny fiaraha-miasa ara-toakarena, faharisian’ny mpampiasa vola vahiny hampiasa ny volany eto,… Mandringa hatrany ihany koa ny diplaomasia Malagasy eo anatrehan’ny tsy fahavitana manendry ambasadaoro any amin’ireo firenena sy rafitra stratejika maro ka asa na hisy fiovana amin’ity taom-piasana manaraka ity ? Mikasika ny fifandraisana amin’i Afrika Atsimo indray dia isan’ny nanamarika azy tao anatin’ny 5 taona farany ilay raharaha volamena 73kg mahery izay nitadiavana fiaraha-miasa ara-diplaomatika tamin’ny Afrikanina Tatsimo fa nitsefotra, ny efa nanaovana serasera tany aloha ny hitsidihan’ny Filohany Cyril Ramaphosa fa mbola tsy tanteraka,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT