Niditra tamin’ny antso an-tariby mivantana nandritra ny hetsiky ny Rodobe tao amin’ny kianjan’ny Magro omaly ny Filoha Marc Ravalomanana nankahery ny mpitolona manoloana ny zava-misy ankehitriny.
Naheno aho fa mitebiteby fatratra ianareo, hoy izy, ary manahy be ihany amin’ny zava-misy. “Tena tany tsy misy lalàna tokoa ny firenena Malagasy ankehitriny. Tsy mendrika ny hitondra firenena ny mpanongam-panjakana izay mampitahotra sy mandrahona amin’ny fomba sy fihetsika tsy fanao. Hiteny sy hiresaka mivantana amin’ny vondrona iraisam-pirenena aho (Vondrona Eoropeanina, Vondrona Afrikanina, SADC, Firenena Mikambana) hoe amin’izao dia very fanahy mbola velona ny vahoaka Malagasy satria taorian’ny sonia ilay sori-dalana teny Ivato dia nanantena fiovana ny rehetra kanjo tsy izay no nitranga fa fandrahonana sy fampitahorana. Miantso ny SADC sy Troika aho. Nampanao sonia ny Malagasy ianareo, nanantena fiovana ny vahoaka nefa tsy izay no niseho. Tokony hieritreritra ireo miaramila sy zandary ataon’ny olona fitaovana politika ho fampijaliana ny vahoaka. Mba mieritrereta ihany ! Fa averiko, tsy mila samborina izany aho fa ho avy tsy ho ela. Aza asaina mankaty ireo fa ho izaho no ho avy”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana.
“Mikasika ny fitsarana ireo manamboninahitra tamin’ny raharaha BANI dia mijaly ny vady aman-janak’izy ireo, fa tena tsy misy fanajana ny maha olona mihitsy. Tsy mitombina izany fitsarana hatao any Fianarantsoa izany. Efa mahafantatra izao tontolo izao fa tsy manaja ny zon’olombelona sady tsy manaja ny demokrasia io fitondrana io. Porofo izao fa tsy manaja ny teniny izy ireo. Tokony hiala haingana io fitondrana tsy ara-dalàna io. Mahatsiro ny vahoaka, anisan’izany ny tenako, fa voafitaka indray. Koa mankahery anareo aho, aza manana tebiteby na dia tsy afa-manoatra aza amin’ny fanaovana z’inona. Aza manaiky lembenana sy ampihorohoroana fa izaho koa aty hanao izay azo atao hiady mafy mihitsy amin’ny iraisam-pirenena. Tsy ho ela (anio) dia hivory indray ny Troika. Aza mandeha amin’ny fivoriana etsy sy eroa intsony aloha raha tsy mahazo baiko tsara ianareo. Mila faharetana sy fikirizana ary fiankinana amin’Andriamanitra isika”.
Nangonin’i Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.