Olona 30 no natao fanadihadiana mikasika ilay fametrahana “Cocktail Molotov” sy taratasy fandrahonana teo
amin’ny vavahadin’ny PAC, 67 HA sy teo anoloan’ny Villa Pradon ny 03 aprily teo, raha ny tatitra. 5 tamin’ireo no nidoboka am-ponja vonjimaika, ka ny sasany eny Antanimora, ny hafa eny Tsiafahy. Anisan’ireo voafonja ny vadin’ny manamboninahitra iray mitondra galona kolonely. Voalaza ihany koa fa nisy mpiambina avy amin’ny CNaPS tafiditra amin’ny raharaha. Mbola karohina hatramin’izao ilay manamboninahitra kolonely voarohirohy amin’ity raharaha ity. Ny 15 sy 19 may ho avy izao no hotanterahina ny fitsarana ireo olona voarohirohy ireto. Raha hiverenana, ny 18 aprily teo no niparitaka ny hafatra na « Note Interne » avy ao anatin’ny mpitandro ny filaminana. Toromarika sy baiko amin’ny hisamborana manamboninahitra Médecin Colonel R.P. Ny Fanjakana Malagasy no mpitory, raha ny voalaza tao anatin’ilay toromarika, ka ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena no mandray an-tanana ny raharaha. Neurochirurgien izany io médecin-colonel io, zandary nanao fifaninana ho dokotera, dia lasa nianatra, ka lasa dokotera, raha ny ankampobeny momba azy. Ny vadiny izany no heverina ho natao takalon’aina mba hatao tsindry hahatonga azy hitolo-batana ? Na koa voasokajy ho mpiray tsikombakomba ? Tsiahivina fa nisy taratasy iray, karazana fampitandremana mafy niaraka tamin’ilay « cocktail molotov ». Tao anatin’ity taratasy ity dia nisy fanononana mivantana ny "raharaha cocaïne" tany Nosy Be sy Faradofay, izay tsy mbola mazava tanteraka hatramin’izao. Narahina hafatra politika miantefa amina olona goavana roa eto amin’ny Firenena.
FANDRAHONANA
Niantefa mivantana tamin’Atoa Mamy Ravatomanga, mpandraharaha lehibe sy olona akaiky ny fitondrana, ity hafatra ity. Voalaza ao anatin’ny taratasy hoe: "Noho ny fahatsapanay fa mifangaro ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny fitantanana ny orinasanao, noho ny fahorian’ny vahoaka tsy mandady harona, ary noho ny adidy manoloana ity tanindrazana ity, dia manentana sy miantso anay ny vata miaramila rehetra, manomboka amin’ireo mbola am-perin’asa sy misotro ronono, ny zandary, manamboninahitra lefitra, manamboninahitra antonony sy ambony, hatramin’ny Jeneraly, hiaraka handray fitondrana miaraka amin’ny vahoaka." Nandrahona mivantana an’Atoa Mamy Ravatomanga hoe: "Mandidy anao izahay hitolo-batana eny amin’ny PAC (...). Fantatray avokoa ireo miaraka aminao amin’ny kolikoly avo lenta, hatramin’ireo mpikarama an’ady izay manodidina anao. Ho hita eo izany. Efa anananay daholo ny porofo. "Nisy hafatra mivantana hafa niantefa tamin’ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny, Andry Rajoelina, izay nanao fanamby sy baiko mazava: "Andriamatoa Andry Rajoelina, mandidy anao izahay handrava tsy misy hatak’andro ny governemanta (…). HCC, mandidy anareo izahay handray ny andraikitrareo! Manome 48 ora izahay. Raha tsy tanteraka izany dia tompon’andraikitra ianao. Efa aty aminay daholo ny lisitry ny fianakavianareo, anisan’izany ireo mpitsara sy minisitra voarohirohy amin’ny kolikoly. Averinay: tsy mila mpanao politika izahay!" Ahitana taratra toe-draharaha manahirana sy feno zava-miafina ity raharaha ity. Eo ny fanasokajiana ny raharaha ho asa fampihorohoroana, fa betsaka ihany koa ny olom-pirenena maneho fa sao sinema entina hanodinkodinan-dresaka indray itony na filalaovana saim-bahoaka hilazana fa lasibatra na « victime » indray ny fitondrana ? Tsy azo hamaivanina ihany koa anefa amin’ny lafiny politika fa indrindra ny fahatafidiran’ny resaka miaramila ao anatiny. Manomboka manana fahasahiana ve miaramila sasany noho ny zava-misy eto amin’ny Firenena ka misy te hanova tantara toy ny tany Burkina Faso, Gabon, Mali,… ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.