Nikaon-doha nandritra ny telo andro momba ny volavolan-dalana fehizoro hifehy ny fifidianana teny amin’ny hotely le Paon d’Or Maibahoaka Ivato ireo depiote mpomba ny fitondrana HVM.Fihetsika sy fomba fiasa nanaitra ihany hoe ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoana mbola tsy tapitra ve no mifampitaona any amina hotely ny olom-boafidy, fa hoe mivory hono.
Etsy ankilan’izay miisa 87 be izao ireo andinin-dalàna mbola mampifandrirotra eny anivon’ny Antenimieram-pirenena eny ankehitriny ao anatin’ireo volavolan-dalàna fehizoro miisa telo naroso hifehezana ny fizotra manontolon’ny fifidianana ho avy. Ireo depiote manohitra ny fitondrana moa dia tena mahita lesoka maro ao anatin’izany. Heverin-dry zareo avy eo anivon’ny vondrona MAPAR ho zava-doza ny famerana ny fampielezan-kevitra ho 7 andro monja amin’ny fihodinana faharoa satria tsy hahafahana mampahafantatra araka ny tokony ho izy ireo kandida akory. “Ny kandidam-panjakana no mahazo tombony amin’io”, hoy izy ireo. Tsy mazava ihany koa ilay hoe : fihodinana faharoa vao atao samy manana ny azy ny bileta fa tsy voatery ho bileta tokana intsony kanefa efa niaraha-nahita ny hala-bato nateraky ny vatom-pifidianana samy manana ny azy, hoy hatrany ny vondrona MAPAR. Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena moa dia tsy ampy hitetezana ny faritra eto Madagasikara ny fito andro ary na ireo kandida roa hiatrika fihodinana faharoa aza mety tsy ho fantatry ny mpifidy akory, indrindra ireo any ambanivohitra. Aleo vao mivaly ofisialy ny fihodinana voalohany dia raketina ny fampielezan-kevitra manaraka, hoy izy ireo. Mba hialana amin’ny fangalaram-bato dia aleo tokana hatramin’ny farany ny bileta fa tsy mazava ilay hoe ny governemanta indray no mamaritra izany fa tsy ny vaomiera misahana ny fifidianana (CENI). Ho an-dry zareo avy eo anivon’ny VPM MMM kosa dia ho fitsinjovana ilay fe-potoana fohy, iray volana hamitana ny fifidianana, dia mety tsara ny fito andro satria efa samy nanao propagandy ireo kandida roa tamin’ny fihodinana voalohany. Mety koa ilay bileta samy manana ny azy satria mandany volam-panjakana ny manota bileta tokana vaovao any an-dafy indray nefa efa roa sisa ireo kandida. Hatreto aloha dia mampanahy ny maro ny fandinihana sy fandaniana eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ity lalàna hifehy ny fifidianana ity fa dia tahaka ny hoe fandaniam-bolam-panjakana fotsiny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.