Politique

Fandinihana ny fampiharana ny tondrozotra “Hovitaina amin’ny zoma izao”, hoy i Mamy Rakotoarivelo


  • Talata 11 Oktobra 2011

Tampoka ihany ny dianay nankany Afrika Atsimo, hoy Atoa Mamy Rakotoarivelo teo am-pahatongavana teny Ivato omaly, satria nandeha aloha tany ny G-7 ka nampanantsoin’ny Troika izahay.

 Nambarany fa dinika tsotra no natao tany ary nohamafisin’ny mpiantso fa hatsahatra avokoa izay fanambarana samihafa tsy iarahan’ny rehetra. Nahitana vokatsoa iny dia iny, hoy izy, fa eo am-pelatanan’ny Troika ankehitriny ny amin’ny fandaminana ny fanatanterahana ilay tondrozotra. Nambarany fa ireo nanao sonia fanohanana ny sori-dalana dia tsy voakasiky ny fampiharana azy io fa ireo lehibe nantsoina tany Afrika Atsimo ihany no ao anatiny. Nomarihan’Atoa Mamy Rakotoarivelo koa fa farafahatarany dia any amin’ny faran’ny volana novambra any no tokony hipetraka ilay ivontoeram-pifandraisan’ny SADC eto Madagasikara ary nohamafisiny fa hofaranana amin’ny zoma izao ny fandaminana ny fanatanterahana ny sori-dalan’i Sandton.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT