Mandra-pahatapitry ny 5 taona hiasan-dRajoelina angamba dia ho vitan’ity fitondrana ity angamba ny fandikan-dalàna isan-tsokajiny tsy mbola nisy nahavita tao anatin'ny 58 taona.
Ny filoha tsy mbola tonga eo amin’ny fitondrana, dia efa nipoitra avy tany ambadimbadika tany ny fiara sy fitaovam-piadiana mampiahiahy tsy fanta-piaviana nomena nandritra ny fianianana. Ny lalàna efa nolaniana tany amin’ny 8 taona lasa tokony hamoahana didy fampiharana novaina kanefa izy ireo ihany no nanao azy, ka nampirisihina ireo depiote hivoy fa tsy rariny raha tsy depiote no ho lehiben’ny mpanohitra ao amin’ny antenimieram-pirenena. Ny filoha anefa tsy miaramila, tsy mpitsara, saingy ekena ho filoha faratampon’ny foloalindahy sy filohan’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara. Ny angidimby midina an-tsokosoko ao amina fotodrafitrasa iandraketan’ny kaominina Antananarivo lasa resabe. Tamin’ny propagandin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2018 anefa, dia voasazy ny mpanamorin’ny angidimby nitondra an’i Marc Ravalomanana rehefa nisidina teny ambonin’i Mahamasina sy ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Raikitra ny fisamborana mpanao gazety amin’ny andro tsy fiasana sy ny fampiantsoana amin’ny andro alahady, kanefa olona tsy hoe jiolahy na olon-doza ahiana hampiongana fanjakana. Mandeha ny ramatahora samihafa hoenti-mampihorohoro sy manampim-bava. Tsy mila an’izany ny fitondram-panjakana raha tena mandeha amin’ny ara-dalàna sy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitondrana firenena. Na io zavatra ambara tsy misy tanteraka io aza, dia efa tsy hanajan’ny olona ny fahefam-panjakana, saingy ny hamoritra sy hampanaiky ny efa mainty ho fotsy ny zava-dehibe fa tsy ny miezaka manitsy ny dia. Tsy adala ny olona fa matoa mbola maro ny kiana ezahina hamoretana, dia mbola misy zavatra maro tsy mandeha ao, eny fa hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola aza mahalala tsara izany matoa mbola io mihisatra io ny mpitondra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.