Politique

Fandaniana lalàm-pifidianana Mirona any amin’ny gidragidra


  • Talata 03 Aprily 2018

Hiverina eny amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza indray manomboka anio ny mason’ny mpanara-baovao taorian’izay fiatoana lavalava izay.

Sarotra ny hino fa hilamina ary tsy hiteraka korontana ny fandaniana ity fitsipika kasaina hifehy ny fifidianana 2018 ity tao anatin’izay fivoriana 4 herinandro izay. Eo ny tontolo politika amin’ny ankapobeny, toy izay niseho tany Mahajanga ny zoma teo raha nosakanana tsy hanao fitetezam-paritra tany an-toerana ny filohan’ny tetezamita teo aloha. Teo koa ilay fiparitahan-tsary mamoafady nahakasika mpikambana 1 eo anivon’ity andrim-panjakana ity ny faran’ny herinandro teo. Ireo depiote tsy avy amin’ny antokon’ny fitondrana moa izany dia efa niray feo fa manasa tanana raha mbola lalàm-pifidianana mivoana amin’ny lalàm-panorenana toy izay kasain’ny fitondram-panjakana holaniana amin’ny amboletra toy izay misy amin’izao fotoana no mbola hiziriziriana holaniana. Ny depiote HVM sy ny mpanara-dia azy koa anefa an-kilan’izay hita ho efa nahazo ny baiko sahaza azy ireo. Raha ny tokony ho izy, taorian’ny asam-baomiera tokony ho tontosa ny herinandro teo dia hiditra amin’ny tena fandaniana ny lalàna amin’izay ireo depiote. Efa milamina ve anefa ny mikasika ireo andinin-dalàna miisa 87 izay nambaran’ireo depiote mpanohitra fa mila jerena sy ny mikasika ireo fangatahana miisa 51ataon’izy ireo ? Hita ho mirona any amin’ny gidragidra indray izy ity ary dia tsy hilamina foana. Eny Tsimbazaza eny anefa no hiainga ny fanapahan-kevitra voalohany momba ny hoavin’ny firenena.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT