Mampiantso ny mpitondra fanjakana, ny mpanao politika isan-tsokajiny, ny firaisamonim-pirenena sy ny olom-pirenena hanatrika ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana atao eny amin’ny Eglizy Anglikanina eny Ambohimanoro ny alahady 29 aprily ho avy izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny FFKM.
Fotoan-dehibe iray io hampatsiahivana fa efa hatrany amin’ny taona 2013 no nivoy ny maha zava-dehibe ny fampihavanam-pirenena sy ny fifanarahan’ny samy Malagasy ny Fiangonana, hoy ny tompon’andraikitra iray teo anivon’ny FFKM nifampiresahana omaly. Nanindry mafy ny hampiharana ilay “ni…ni” ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny fifidianana 2013, “moa ve nitondra vokatra tsara ho an’ny firenena izany ?”, hoy io tompon’andraikitra io. Ilaina ny fitoniana, zava-dehibe ny fifampiresahana, tsy maintsy irosoana ny fampihavanana raha tiana hivaha ny krizy, ary izany indrindra no hafatra tian’ny FFKM omena ny rehetra. Mametraka mazava kosa anefa ny FFKM, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity fa tsy ekeny ny tsindry sy ny baiko mivantana na an-kolaka fa efa manana ny fomba fiasany izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.