Politique

Fandaminana ny biraom-pifidianana Misy kajy hafahafa


  • Alatsinainy 09 Aprily 2018

Fenitra napetraka mandritry ny datim-pifidianana ny hoe olona miisa 700 ihany raha be indrindra no tokony handatsa-bato anaty biraom-pifidianana iray.

Nampitomboina ho 26.000 isa moa izay birao izay, manerana ny nosy, raha ny fanazavana nomen’ny filoha lefitry ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI, Thierry Rakotonarivo, farany teo. Ny kandida 1 dia tokony hanana delege 2 isak’ireo birao ireo, izany hoe tokony hanana delege miisa 48.000. Azo antoka fa hanana izay isa izay tokoa ve ny kandida rehetra ? Raha io fitsinjarana io no mihatra araka ny tokony ho izy dia 374 no mpifidy anaty birao iray raha atao ny salanisa. Inona no kajy ary iza no nametraka azy ? Ny tena azo antoka aloha dia mitombo ny asa ary miha sarotra ny fanarahamaso rehefa mitombo isa ny birao fandatsaham-bato. Ary misy fiantraikany ara-psikolojika amin’ny mpifidy io fikitikitihana ny birao fandatsaham-bato io indrindra fa ho an’ny any ambanivohitra satria terena tsotra izao hiala amin’ny zavatra efa nahazatra azy izy…azo antoka ny fisiana savorovoro indrindra moa raha tsy ampy ny fanentanana sy fampianarana ilay fanovana. Maro ny mihevitra fa misy ketrika hafa kely hiomanana amin’ny hala-bato faobe mandritra ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT