Politique

Fandaminana an’i Madagasikara Ho avy indray ny SADC sy ny “Feuille de route”


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Voaresaka tamin’ny fivoriana SADC tany Luanda Renivohitr’i Angola ny 24 aprily lasa teo ny toe-draharaha politika mikorontana eto Madagasikara.

Ny SADC no rafitra akaiky indrindra ambanin’ny Vondrona Afrikanina sy ny Firenena Mikambana miditra an-tsehatra voalohany. Tapaky ny SADC, fa handefa iraka mpanelanelana eto Madagasikara izy ireo, dia ny Filoha Mozambikanina teo aloha Joaquim Chissano, izay efa fantatra tamin’ireny fandaminana ny krizy ara-politika teto taorian’ny 2009 ireny. Tonga ao an-tsain’ny maro avy hatrany ny resaka tondrozotra na “feuille de route”, raha vao resaka fanelanelanan’ny SADC. Ho avy indray ny fanelanelanana sy fifandresen-dahatra, ka 3 hatramin’ny 6 volana eo no mety ho faharetan’izay raha ny fenitra. Ho vita ve io, ary ho avy tokoa ve ny tondrozotra aorian’izay? Tokony hanao fadaminana politika sy teknika hahafahana miroso amin’ny fifidianana isika. Maro ihany koa anefa ny manantena fizaran-tseza ao anatin’ny tondrozotra, ary hihezaka ny hiditra ao ny mpanao politika mpitaty ran-kena mangetaheta fahefana saingy tsy misy atoraka. Raha tsy mahay mifandamina isika amin’ny fifidianana, indrindra fa ny lalàna momba izany, dia resaka tondrozotra no hitondrana an’io. Niarahan’ny rehetra nahatsiaro ihany koa ny zava-nisy tao anatin’ny tondrozotra raha ny tamin’ny andron’ny tetezamita no hiverenana. Tsy nitondra vahaolana ho an’ny firenena ny fidirana an-tsehatry ny vahiny, saingy azo ambara ho nampihena ny herijikan’ny fifandonana angamba. Ny vahiny ihany koa no tompon’antoka tamin’ny “ni…ni…” tamin’ny taona 2013, ka tsy namelana ho kandida ireo mpanao politika lehibe roa isan’ny matanjaka indrindra eto amin’ny firenena amin’izao. Rehefa tsy mahay mifandamina anefa ny samy Malagasy, dia miditra an-tsehatra foana ny fianakaviam-be iraisam-pirenena.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT