Mampametra-panontaniana mandrak’ankehitriny ity fitiavan’ny fitondram-panjakana manao zavatra mody masoandro na alina mihitsy ity.
Ny fifidianana birao maharitry ny antenimieram-pirenena izay novinaniana hiatomboka tamin’ny 10 ora maraina izao farany teo, ohatra, hariva efa nody masoandro vao tontosa. Ho avy indray koa izao ny fandaniana volavolan-dalàna isan-karazany dia mbola misasak’alina indray koa ve vao ho vita ? Hatramina fitokanana vakoka tetsy Andafiavaratra aza mbola natao andro hariva. Araka ny fanazavan’ny mpahay fanandroana iray dia tsy dia misy idiran’ny fanandroana loatra akory io fanatontosana hetsika hariva io fa mety fanenjehana fotoana mihitsy satria taraiky ny raharaha. Tena izany tokoa ve ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.