Politique

Fandaharan’asa PEM an-dRajoelina “Hifanahaka amin’ny an’i Rwanda…”


  • Talata 08 Aogositra 2023

Noraisin’ny Filoha Rwandais Paul Kagame tao amin’ny Lapam-panjakana ao Kigali nandritra ny ora iray ny Filoha Andry Rajoelina omaly

Nambara fa fihaonana fanombohan’ny fiaraha-miasa manokana, ka navoitra ny hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-diplaomasia, ara-toekarena. Sehatra maro no nambara fa hiaraha-miasa tahaka ny harena an-kibon’ny tany, fizahantany, haitao ara-kajy mirindra, varotra, tanàna vaovao, fandraharana,… Nambara fa hifanahaka amin’ny Maodelim-pampandrosoan’i Rwanda ny PEM (Plan Emergence Madagascar). Tanjon’I Rwanda ny hahatonga ny toekarena ho eo amin’ny antoniny hatramin’ny 2035, ary tena ho tafakatra ambony hatramin’ny 2050. Hatreto voasokajy ho mbola ambany ny tahan’ny harin-karena isam-batan’olona na PIB/habitant any Rwanda izay 930 dolara isan’olona isan-taona eo, raha ny fanasokajian’ny Banky Iraisam-pirenena, ary ny antsika aza moa manodidina ny 540 dolara isan’olona isan-taona ny antsika, kanefa 1135 dolara isan-taona isam-batan’olona no antonony. Ny PEM an’ny Fitondrana Rajoelina kosa, dia nambara fa hametraka an’i Madagasikara ho firenena misandratra, matanjaka,.... Nolazaina fa tanjona ao anatiny ny hampiakatra ho 4000 dolara ny PIB isaky ny mponina hatramin’ny 2040 raha toa ka 522 tamin’ny 2019. Nambara fa mikendry ny hampihenana ny tahan’ny fahantrana izay 81,6% ho any amin’ny 35% ny PEM izay miompana amin’ny velirano miisa 13. Tao anatin’ny fitondran-dRajoelina anefa, raha 73.7% ny tahan’ny fahantrana ny taona 2017, dia tafakatra 81,6% izany ankehitriny ka asa na nampihena na nampitombo ny tahan’ny fahantrana ny Fitondrana volomboasary? Raha nametraka tanjona lehibe hahavita tena ara-tsakafo hatramin’ny 2025 ka nanompana volabe any amin’ny famokarana I Rwanda dia isika kosa nirehareha fa ny fanafarana PPN 20 sambo antsoina hoe: fandrosoana ary tsy afaka hiandry vary 2 taona vao miakatra! Ny Filoha Rwanda tonga saina hoe: tsy I Ukraine izay tsy manana mponina afatsy 44 tapitrisa no hamatsy sakafo an’I Afrika izay misy mponina 1,4 miliara ka napetrany ny fanambiny, fa ny antsika zara raha 5,1% amin’ny tetibolam-panjakana no naompana tamin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono raha ny tao anatin’ny 4 taona farany! Kigali Renivohit’I Rwanda no isan’ny tanàn-dehibe madio indrindra aty Afrika ary manao ahoana Antananarivo?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT