FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

Politika mampandroso no


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ilaina fa tsy politikan'ady seza

Misy ny miezaka mafy mampiseho fa tena miasa sy afaka miara-miasa amin'ny hafa; ao ireo manohy ny asany andavanandro mahazatra ihany; fa misy koa ireo tsy be ihany hoe ahoana marina. Etsy ankilan'izay tsapa ho misy fanehoan-kevitra tampoka etsy sy eroa milaza fa tsy tsara ny asany i ranona na i ranona na koa hoe tsy mety ny fitantanana. Miara-dalana amin'ireo dia misy vovonana mijoro tampoka izany.
FOMBA FISAINANA MILA FANAVAOZANA
Fomban-javatra ihany ireo rehetra ireo rehefa malaza hoe hisy fanovana governemanta hono ee...Io indray mantsy izao no nalaza tao anatin'ny herinandro. Hatreto aloha dia mbola io fanao mahazatra hatramin'izay io ihany no fomba fiadin'ireo mpanao politika, asa hoe rahoviana izany ny fanavaozana azy io. Ny fanirian'ny rehetra dia mba atao tokoa ny fifandaminana ahitam-bahaolana mahomby ka tsy iverimberenan'ny krozy isaky ny 5 na 7 taona eto Madagasikara. Raha milamina ny fitantanana, mivoatra ny fiainan'ny mponina, hita ho miha tsara ny tontolo ara-tsosialy, mitombo ny asa, misy ezaka tena azo tsapain-tanana amin'ny fametrahana ny fandriampahalemana, dia hitoetra ho azy ilay hoe fitoniana politika nodradradradraina efa hatrany amin'ny taona 1991. Ka mba hisosa ny fitantanan-draharaham-panjakana, miroborobo ny sehatra tsy miankina, mitombo isa ireo orinasa. Tsy ho tody any amin'izany mihitsy anefa i Madagasikara raha mbola mahazo vahana eto ny toetsaina tia tena, manindrahindra olona, fanomezana vahana fikambanana na antoko iray, olom-bitsy midongy fahefana sy tia tena tsy te ahalala ny hafa. Mila mampiseho ohatra tsara sy fakan-tahaka ireo mpitondra fanjakana fa tsy sanatria ry zareo indray no hiady an-trano sy hifanao daka tsy hita maso ao. Rehefa milamina ny fomb fintantanana, manaraka ho azy ny ambiny rehetra.
(Sary fanehoana)
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

Hijery ny tohiny
FTT