Ho avy ilay tondrozotra notakian’ny SADC
sy ny vondrona afrikana momba ny fanatanterahana ireo tetiandro amin’ny fanavaozana ny repoblika eto Madaasikara ary tafiditra ao anatin’izany ny fikaonandoham-pirenena . Atolotra mialohan’ny 28 febroary 2026 izy io ho ny kolonely Randrianirina Michael rana nanontanian’ny mpanao gazety Rosiana tany Moscou izy nandritra ny diany farany teo.
TSY MITANILA
Io tondrozotra io moa no notakian’ireo antoko politika sy firaisamonim-pirenena sasany, nitaky an’io ihany koa ny ny vondrona SADC sy ny vondrona Afrikana, raha ny tena marina dia efa voasoratra ihany ao amin’ilay politika ankapoben’ny governemantan’ny fanavaozana izay efa nandalo teny amin’ny antenierampirenena ary nankatoavina izy io, saingy mamerina indroa marina angamba manana ny antitra. Fa etsy ankilan’izay, dia heverin’ireo mpanara-baovao politika fa karazana fanomezan-toky an-tsoratra avy amin’ny fitondran’ny fanavaozana izy io fa hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny dingana rehetra amin’ny fanovana sy fanavaozana izy ireo. Fitondrana na rafitra tsy mitanila, tsy momba ny atsy na ny aroa, tsy manao kajikajy politika amin’ny ho avy no takiana hitantana ny fakan-kevitra sy fikaonan-doha, efa lasitra fahita maeran-tany izany. Midika ve izany fa hihatra ilay hoe izay ao anatin’izao fitondran’ny fanavaozana izao dia tsy mahazo mandray anjara amin’ny fifidianana fa ny fanomanana no anjarany ?
« FILM » EFA NANDEHA
Ny taona 2009 no nanomboka nalaza teto Madagasikara io voambolana hoe Tondrozotra io rehefa nifanolana Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Taona 2026 izao mbola misy voasoratra ao anatin’io tondrozotra taloha io tsy tanteraka. Antony nandrafetana azy ion y hoe famahana krizy, fampihavanam-pirenena, fandaminana ny rafitra hitantana, fanomanana fifidianana madio sy mangarahara ary tsy mitanila, fiverenana amin’ny ara-dalàna, fametrahana fitoniana sosialy , toekarena ary politika. Tsy tanteraka tamin’ny ampahany betsaka ireo matoa mbola niaina krizy indray i madagasikara ny taona 2018 sy 2023 ary 2025 farany teo. Maro iroe manahy hoe sao lahy dia 2009 bis indray ity ka ho avy ny fananganana « mouvance » fizarana toerana, dia hiitatra ny raharaha adino ny tena laharampahamehana dia sanatria hiandramatra indray ireo ankolafy maro samihafa rehefa tany ty ka tonga ny fifidianana ? F’angaha moa tsy hoe aleo handehana amin’ny diniky ny samy malagasy indray ilay izy ? Tsy mifampatoky ve satria mifankahafatatra tsara, ary tsy mba misy fampandeferana ny hambom-po mihitsy ve izany amin’ny fanaovana politika eto ka hametrahana ho ambony indrindra ny tombotsoam-pirenena sy tombotsoan’ny vahoaka ? Sa efa miainga any sahady ny kajikajy politika hanilihana an-drakoto sy hanandratana an-drabe ?
RTT
(Sary fanehoana)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.