Politique

Fanavaozana ny lisity ny mpifidy 66% no voasoratra anarana hatreto


  • Talata 24 Janoary 2023

Miandry ny didy aman-dalàna mikasika ny fahafahan’ireo diaspora mandray anjara amin’ireo fifidianana ho tanterahana eto Madagasikara ny CENI,

raha ny fanazavan’ny mpampakatenin’ity vaomiera misahana ny fifidianana eto amintsika ity, Soava Andriamarotafika. Ny fantatra fotsiny, hoy izy, dia efa mivory mikasika izany ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. 8.900.000 isa hatramin’ny maraina teo (TTF: omaly maraina) ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy. 66% any izany raha atao isan-jato. Marihina fa mbola amin’ireo karne misy ny takelaka misy ny anaran’ireo olona nosoratana anarana no mbola tavela eo anivon’ny ratsa-mangaikanay any amin’ny kaominina. Ny fampiakarana ireo any amin’ny ratsa-mangaika amin’ny distrika no itadiavam-bahaolana amin’ity herinandro ity. Eo ny fahalaviran’ny elanelan’ny kaominina sy distrika noho ny haratsian’ny lalana, indrindra, nampian’ny tranga tato anaty 3 andro sy lalana tapaka.13.500.000 isa no nofaritanay. Miainga amin’ny isan’ny mponina manerana an’I Madagasikara io, izany hoe, tombanana ho 27 tapitrisa. Manome antsasaky ny isan’ny mponina no tokony ho isan’ny mponina feno 18 taona, raha ny fenitra iraisam-pirenena, hoy ny mpahay azy. Ny ezaka ataon’ny CENI dia ny hampiditra ny anaran’ireo olona feno 18 taona mbola tsy very zo ao anaty lisitry ny mpifidy. Ilay olona mihitsy no manatrika mpanisa mpifidy miaraka amin’ny kara-panondro dia mameno takelaka miara-manao sonia eo. Iny no raketina anaty solosaina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT