Fanavaozana ny lisi-pifidianana

Nanamafy ny antso fisoratana anarana ny CENI


  • Zoma 21 Martsa 2025

Nanao fampahatsiahivana sy fanentanana tamin’ny alalan’ny Sekretera

mpanatanteraka ao aminy CENI Atoa Tseheno Rakotondrasoa omaly 20 martsa, fa ao anatin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao. Miantso ny olom-pirenena fa zon’ny rehetra ny misoratra ao anatin’izany lisitra izany, ary hamafisin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery, hoy ity tompon’andraikitra ity. Nanentana ny olom-pirenena feno 18 taona hanatona ny fokontany sy hisoratra anarana, ary miantso ireo nisoratra anarana hiverina hijery sy hanitsy ireo mety fahadisoana ny CENI. Tanjona, hoy i Tseheno Rakotondrasoa, ny hananana lisi-pifidianana tomombana sy tsara rafitra. Ny lisi-pifidianana hofaranana amin’ny 15 mey no ahafahana mandeha mifidy amin’izay fifidianana rehetra ho avy amin’ity taona ity sy ny aoriany. Manana 20 andro ahafahana misoratra anarana sy manitsy ny tsy fahatomombanana ny rehetra, raha ny fanazavan’ny CENI tamin’ny alalan’ny Sekretera mpanatanteraka. Ny fifidianana loholona moa no fifidianana akaiky indrindra satria tokony hatao amin’ny volana desambra raha hajaina ny fe-potoana. Ireo mpifidy vaventy na « grands électeurs » ahitana ny ben’ny tanàna, mpanolontsaina monisipaly,… no tena voakasika ao anatin’izany. Tokony hofidiana amin’ny alalan’ny fifidianana andraisan’ny daholobe anjara ihany koa ny Lehiben’ny Faritra izay novain’ny Fanjakana ankehitriny ho « governora » raha ny voafaritry ny andininy faha-154 amin’ny lalàmpanorenana, saingy nodian’ny fitondrana Rajoelina tsy fantatra mandrak’ity ny androany. Asa mba efa misy eritreritra hiverina amin’ny fanajana lalàmpanorenana ve ka hiroso amin’ny fifidianana lehiben’ny faritra satria saika efa vita avokoa ny fifidianana tany amin’ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izay tena ilàna ny lisi-pifidianana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT