Politique

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Mitombo ny ahiahy politika


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2022

Misy sahady ny miahiahy amin’ny resaka fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana manerana ny Nosy, izay nanomboka ny 01 oktobra 2022 lasa teo.

“Olona avy any Soavinandrina no manao “agent recenseur” eto Fokontany Avaratsena Kaominina Ambonivohitr’i Betafo, ny hafa dia tsy hay intsony, ary mino aho fa tena ho erak'i Madagasikara io, ary ahiana ny fisian’ny kolikoly be”, hoy ny fanamarihana voaray avy any Betafo. Misy sivana sy fepetra amin’ny fampiasana ireny “agent recenseur” ireny, izay voalaza fa mpianatra ny ankamaroany. Tsara ny mampahatsiahy fa efa novaina ho olon-kafa fa tsy sefom-pokontany intsony ny Lehiben’ny CNRE Comité Local de Recensement des électeurs). Manodidina ny 3 tapitrisa ny mpifidy vaovao kendrena, ka misy hetsika hatrany amin’ny fonja. Noho ny tsy fisian’ny olona mahafeno fepetra ve sa lamina manokana? Mpifidy manodidina ny 13.500.000 isa eo ho eo no hezahana hosoratana anarana, raha toa ka 10.750.000 no voasoratra tamin'ny fanavaozana isan- taona 2021-2022, izay nisy fitomboana 2,6%. Betsaka ny ahiahy, saingy samy mandrisika ny olony sy vahoaka tsy an-kanavaka hanoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana ny Antoko politika amin’izao fotoana izao satria ny tsy fandraisana anjara amin’izany dia mety vao mainka mampihena ny herijika ho an’ny tsirairay. Mbola mila ezaka be ihany koa anefa ny fanentanana olona handray anjara amin’ny fifidianana satria iaraha-mahalala ny taham-pandraisana anjara 40-50% matetika, hany ka tsy marin-toerana ny filoha voafidy satria ny ampahefatry ny olona voasoratra ao anaty lisitra no mandany azy, raha mandray ohatra ny nahalany an’I Andry Rajoelina tamin’ny 2018, izay 2,5 tapitrisa teo kanefa ny isan’ny mpifidy 10 tapitrisa tany ho any. Misy fepetra sy lalàna tokony hapetraka, na ekena aza fa safidy ny mifidy, azo heverina ihany no tokony hanamafisana azy ho adidy na “devoir”, ka isan’ny fepetra ahafahana misitraka fikarakarana taratasy any amin’ny fokontany ohatra!.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT