Manatanteraka ny vinan’ny filoham-pirenena sy ny politika akampoben’ny fitondram-panjakana no anjaran’ny minisitera, hoy ny minisitry ny asa sy fampanana asa vaovao, Richard Jean Bosco Rivotiana,
omaly nandritry ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny dimbiasiny, Gisèle Ranampy, tetsy 67ha. Niezaka nametraka ny ratsa-mangaika rehetra eraky ny renivohi-paritany ity minisitera ity, hoy izy. Ny fanohizana ny tsara efa vitan’i ramatoa minisitra noho izany no ezahana atao. Mandritry ny fandalovako eto, na izany na tsy izany, ny olona efa mahalala ny tenako, satria izaho efa ben’ny tanàna teny amin’ny kaominina, efa depiote, izany hoe nisahana distrika, dia fotoana hampisehoako amin’ity Madagasikara ity fa ny fifaninanana hidirana mpiasam-panjakana dia azo atao amin’ny endriny madio indrindra. Eo koa ny fampandehanan-draharaha na “administration de proximité”. Izany hoe fanatonan’ny mpiasam-panjakana ny vahoaka satria ny minisitera dia tokony hanompo ny vahoaka. Eo ny fandehanana isaky ny renivohi-paritany ho fametrahana “guichet unique” izay efa natao tany aloha. Jerena bebe kokoa ny hanatanterahana izany. Misy ireo lalana ho alefa eny anivon’ny antenimieram-pirenena amin’io volana may izay fanombohan’ny fivorian’ny parlemanta io. Ny mpiasa, ny mpampiasa, ny minisitera no toko 3 mahamasa-nahandro ary ny fihaonan’ireo no atao hoe dinika. Ho hezahana ny hifampiresahana mikasika ny hetahetan’ireo mpiasa amin’ireo tomponandraikitra mpiara-mitantana eto amin’ny firenena. Tafiditra ao anatin’ny lalàna ho alefa eny anivon’ny antenimieram-pirenena ny mikasika ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny asa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Nandritry ny fifamindram-pahefana omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.