Politique

Fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana 7,9 tapitrisa na 58,56% amin’ny tanjona no tratra hatreto


  • Alarobia 04 Janoary 2023

Iray volana latsaka sisa dia hifarana dia hifarana ny fanalavam-potoana ho an’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana,

izay hikatona amin’ny 31 janoary izao. Raha ny antontan’isa voaray avy amin’ny CENI 7 959 971 ny isan’ny mpifidy nisoratra anarana hatramin’ny 02 janoary teo, izay manome 58,56% amin’ny tanjona nokendrena dia 13 tapitrisa any ho any. Any amin’ny volana may kosa no hikatona tanteraka ny lisi-pifidianana. Hatreto, mbola baraingo ny tetiandrom-pifidianana, ary any ho any amin’ny volana may na jona no hanao tolo-kevitra amin’ny governemanta ny CENI. Mbola handinika ireo pitsopitsony ilaina, ary hifandinika amin’ny governemanta mikasika ny tetibola hoenti-manatanterana ny fifidianana. Raha ny voafaritry ny lalàmpanorenana, 30 andro farahafahakeliny ary 60 andro farahafabetsany mialohan’ny fiafaran’ny fe-potoam-piasan’ny filoha am-perinasa ny fifidianana filoham-pirenena. Tokony ho eo anelanelan’ny 19 novambra hatramin’ny 19 desambra 2023 noho izany ny fifidianana filoha. Telo volana mialohan’ny fifidianana kosa farahafahakeliny no tokony hivoaka ny didim-panjakana fanaikana ny mpifidy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT