Politique

Fanatsarana ny lisi-pifidianana Ho vita tanteraka amin’ity volana septambra ity


  • Talata 03 Septambra 2019

Efa miditra amin’ny fanatsarana ny lisi-pîfidianana ny eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Araka ny fantatra, amin’ity volana septambra ity no vita tanteraka ny fanatsarana azy.

 

 

 

Voalaza fa ireo olona manana kara-pifidianana sy efa voasoratra tao anaty lisitra, ka latsaka ny anarany no hamarinin’ny Ceni sy jeren’izy ireo. Tsy misy kosa ny fanavaozana sy fampidirana na fanesorana anarana fa fanatsarana no hatao, hoy hatrany ny filoha lefitry ny Ceni Thiery Rakotonarivo. Ny teo anivon’ny fokontany Avaratetezana Ambohimanarina kosa, dia nilaza ny sefo fokontany fa 2.505 ireo olona voasoratra anarana ao anaty lisitra, zato kosa ireo anarana latsaka. Nisy ny anarana niverin-droa sy nalana. Nanavao tanteraka io lisitra io koa ny fokontany, ka aterina eny amin’ny distrika amin’ity herinandro ity, hoy ny hatrany ny sefo fokontany. Manao antso avo amin’ny olom-pirenena koa izy ireo, mba hanamarina sy hijery ny anarany eny amin’ny fokontany.

 

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT