Politique

Fanatsarana ny fitondrantenan’ny mpanao politika


  • Alarobia 07 Jona 2023

Tokony hisy fampiharana hita maso, hoy ny Perfect Madagascar

Naneho ny heviny mikasika ny fanaovan’ny mpanao politika sonia ilay “Charte de bonne conduite’’ na fanatsarana ny fitondran-tenan’ny mpanao politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana Rtoa Sylvia Ranaivojaona, filohan’ny fikambanana Perfect Madagascar omaly. Nambarany fa tena mety ny fanaovana izany mba hisian’ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena mandritra ny fifidianana. Ny mampalahelo anefa hoy izy dia tsy tena hita taratra loatra ny fampiharana izany eto amintsika fa zarizary fombafomba fotsiny izany ho an’ny sasany. Mbola misy hoy hatrany Rtoa Sylvia Ranaivojaona ireo mpanao politika manao fihetsika mihoampefy... Antso avo araka izany no hataony amin’ireo mpanao politika mba hahafahana tena mampihatra izany marina. Ambonin’ny lalana ny « charte » hoy izy satria ilay saina nanaiky sy ny tanana nanasonia mihitsy no tsy maintsy manaja izany ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Mpanao politika maromaro toy ny solontena avy amin’ny antoko HVM, ny TIM andro vitsivitsy lasa izay no nikaondoha sy nanaiky fa hanatanteraka io charte io teto amintsika.
Pati
Legende : Ambonin’ny lalàna ny « charte », hoy Ramatoa Sylvia Ranaivojaona ka tokony hajaina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT