Fanatrehana ny fianianan-dRajoelina

Miezaka mandresy lahatra ireo Filoha manodidina…


  • Talata 28 Novambra 2023

Efa miomankomana amin’ny fianinan’ny kandidany izay lany tamin’ny fifidianana feno

lonilony ny etamazaoro politikan’ny volomboasary, raha ny loharanom-baovao. Tsy hiandry volana janoary fa amin’ny herinandro faharoan’ny volana desambra no voalaza fa mety hanatanterahana an’io. Hiezaka hanao izay faraheriny amin’ny fanomezana endrika izany amin’ny alalan’ny fiantsoana mpitondra vahiny anome voninahitra ny fotoana. Tsy nisy tazana teny Alarobia ireo masoivoho vahiny ny sabotsy teo tamin’ny namoahana ny voka-pifidianana vonjimaika. Raha ny lohanaranom-baovao azo antoka, dia nahazo fanasana ara-dalana tsara ny masoivoho rehetra, efa niomana mihitsy ny sabotsy, fa nisy fa nisy toromarika hoe : mijanona daholo indray. Tsy fantatra kosa hoe : avy amin’ny mpikarakara ve sa avy any an-kafa mihitsy ? Andaniny, miezaka mafy mandresy lahatra ireo firenena aty amin’ny manodidina mba hanatrika ny fianianany ny ekipan’ny mpitondra mba hilazana fa hoe : ekena angamba. Maorisy sy Afrika Atsimo no re fa isan’ny resena lahatra mafy, ary misy iraka nalefa mihitsy any Johannesbourg sy Port Louis ? Inona no mety ho tambiny na endri-piaraha-miasa? Ny volamenantsika aloha dia mbola taraiky any Afrika Atsimo. Nialohan’ny fifidianana dia voalaza fa tokony hanao fitsidihana teto ny Filohany Cyril Ramaphosa saingy tsy tanteraka. I Maorisy indray dia isan’ny Fanjakana notsidihan’i Andry Rajoelina voalohany vao tonga teo amin’ny fitondrana 5 taona lasa. Haverina indray ilay hoe ZEE na Zone Economique Exclusif noresahana tamin’izany izay niresahana tany manakaiky ny an-jatony hekitara hampiasan’ny Maorisianina ? . Ho avy ve ny Filohan’i Kaomoro izay raha tsiahivina ny tamin’ny 2018 dia nolazaina fa isika indray aza no hampindram-bola an’io firenena io rehefa Rajoelina no Filoha ? Izy no mitondra ny Filohan’ny Vondrona Afrikanina izao ary i Madagasikara mby aiza 5 taona aty aoriana ? Ny azo antoka aloha dia tsy ho tahaka ny tamin’ny 2018 izay natrehin’ireo filoha teo aloha ny amin’ity ary andrasana hoe : iza sy firy ireo mpitondra ambony Afrikanina mety ho avy ?
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT