Fanatrehana fametrahana

samboadin’ny IRMAR


  • Alarobia 16 Oktobra 2024

Nanazava sy niaro tena ny eo anivon’ny CENI

Nitondra fanazavana sy fiarovan-tena teo anatrehan’ny resabe mikasika ny fanatrehan’ny Filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo ny lanonam-pametrahana samboadin’ireo depiote tany Sambava ny CENI tamin’ny alalan’ny Tale Kabinetran’io Filohany io Atoa Fanahimanana Tiaray omaly. Nambara fa noho ny fanasan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena azy fa tsy misy ifandraisany amin’ny fironana politika ny anton’ny fanatrehana izany. Porofon’ny tsy fitanilan’ny CENI ny fandraisana ireo Vondrona politika samihafa izay mangataka fihaonana, hoy hatrany ny fanazavana. Amin’ny maha lanonam-panjakana azy dia nahazo fanasana, toy ireo olom-panjakana rehetra, ka nanome voninahitra izany noho ny fanasana, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza noho izany i Fanahimanana Tiaray, fa ny fiandanian’ny CENI dia tsy any anaty fanatrehana lanonam-panjakana no hijerena azy, ka nahoana hoy izy, no tsy miteny isika rehefa 26 jona fa tsy mahaleotena ny CENI ka nilazany fa fankahalana diso tafahoatra no hitenenana any amin’ny haino aman-jery. Isan’ny nitondra tsindro-paingotra tamin’io moa ny Filohan’ny Antoko Tsaratahafina Atoa Paraina Auguste. Marina fa lanonam-panjakana ary amin’ny maha fanasana saingy tsy lasa manisy sary na mahatonga ny mpanara-baovao hanana eritreritra fa misy endrika fitodihana any amin’ny loko politika ve ? Lasa miverina hatrany amin’ny fomba nahatongavan’ny Filohan’ny CENI teo amin’ny toerany na ekena aza fa ny lalàna no narahana tamin’izany satria raha tsiahivina dia isan’ireo olona natolotry ny Filohan’ny Repoblika Atoa Dama Andrianarisedo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT