Raha tsy mbola misy fampihavanana dia tsy hisy filaminana mihitsy eto amintsika, hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Beloha Androy, Fanatera Longin.
Tsy hanaiky fanambakana sy tsy rariny izahay, hoy ihany izy. Mitaky fampihavanana ny zava-misy eto amin’ny firenena, raha ny fanazavany satria nisy ady niseho teto, fitondrana ara-dalàna no teo kanefa dia nisy ny asan-jiolahy sy mpanongam-panjakana. Voafidy ara-dalàna izahay na ny filoham-pirenena na ireo solombavambahoaka ary tsy nangalatra izahay na koa namono olona, hoy ihany ny depiote Longin kanefa dia nesorina tamin-kery. Ho fitandroana ny ra latsaka na avy amin’ny andaniny na ny ankilany anefa dia nanaiky izahay, hoy ihany izy. Nanaitra ny filazan’i Fanatera Longin fa «raha mbola Rajoelina no ekentsika hitarika ny tetezamita dia tsy hilamina mihitsy i Madagasikara satria tsy natao hitantana ny firenena izy», raha mitatitra ny karazana fahitana hitany. Misy antony izany, hoy ity olomboafidy ity ary efa betsaka ny porofo manamarina izany fa dia ho hitantsika eto.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.