Ampangain’ny karatra eny hatrany ny Fitondrana Rajoelina amin’ireo makety samihafa
izay entina hanaovana serasera amin’ny tetikasa goavana, kanefa ny paikady sy ny hoenti-manana mbola manjavozavo. Miharihary fa ny serasera sy ny endrika ivelany hatrany no mipoapoaka. Ankehitriny, nanao pimaso tany amin’ny Tiorka indray amin’ny fanatanterahana ny tanàna vaovao any Imeritsiatosika satria voalaza fa handefa ireo mpandraharaha afaka manampy an’i Madagasikara amin’ny fananganana izany ny governemanta Tiorka. Inona no ho tambiny ? Efa 5 taona teo izay ny makety, misy tokoa ny ampahan-javatra efa mitsangana any Imeritsiatosika, saingy tsy araka ny makety ny serasera maro natao. Tany amin’ny mey 2022, niradraraka ny serasera fa ho mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara amin'ny fanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro ny vondrona AL JABER, izay vondrona matanjaka anisan'ny nanangana ireo fotodrafitrasan'ny tanan'i Dubai sy Abu Dhabi izay fantan-daza maneran-tany. Ny 30 may 2022 mantsy, dia nihaona tamin'ny Filohan'ny Filankevim-pitantanan'ity vondrona ity, Obaid Khaleefa Jaber Al Murri, ny Filoha Rajoelina tao Abu Dahbi. Natao nifanaraka amin'ny zava-misy eto sy ny filàn'i Madagasikara ny paikady entina hanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro naroson'ny vondrona AL JABER tamin'ny delegasiona Malagasy, hoy ny serasera tamin’izany. Nambara fa anisan'ny laharampahamehana amin'ny fanatanterahana ny tetikasa ny fanajana ny tontolo iainana sy ny sehatra sosialy amin'ny alalan'ny fanomezana asa ny vahoaka Malagasy. Voarakitra ao anatin'ity paikady ity ihany koa fa 60%-n’ny akora sy ny fitaovana ampiasaina dia ho vokarina eto Madagasikara avokoa, mba hampihena ny fandaniana vokatry ny fanafarana sy ny fitaterana ary ny fivezivezen’ireo fitaovana ilaina. Araka izany, hananganana « sites » miisa 06 eo akaikin'ny Tanamasoandro ny Al JABER hahafahana manao ny famokarana izay akora sy fitaovana ilaina eto Madagasikara ihany, hoy ny serasera tamin’izany. Roa taona latsaka aty aoriana, aiza ihany koa izany izao ? Sao mba ho tahaka izany ihany koa ity resaka « Autoroute » na lalàm-be migodana Antananarivo-Toamasina ity izay nambara fa ny orinasa Ejiptianina Samcret no hanao azy, efa noresahana fa anatin’ny tetibolam-panjakana 2023 ny fanaovana ny ampahany voalohany 80 km mitentina 301 miliara Ar, efa naderadera tamin’ny serasera hoe : ireny ny fitaovana hanamboatra azy,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.