Politique

Fanarenana ny firenena Inona no tena laharampahamehana ?


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Manana 1 taona sy 2 volana sisa ny fitondrana ankehitriny raha atao hoe mialohan'ny fifidianana 2023.

Raha tsiahiviny ny taona 2018 dia ny 8 novambra no nandeha ny fiodinana voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ny 19 desambra ny fiodinana faharoa. Raha izao zava-misy izao, tsy hisy fahagagana be ka hoe ho 7% ny fitomboan'ny harinkarena. Sahirana ny firenena. Hitombo isa ihany ny mahantra sy tsy ampy sakafo. Ho mafy kokoa ny krizy tsy maintsy alamina. Tsy hisy mana milatsaka tampoka avy any an-danitra. Ny fanampiana avy any ivelany koa tsy azo ianteherana be satria anaty fahasahiranana ny eoropeana, mailomailo ny Amerikanina. Mitandrina be ny sinoa ary manana ny kajiny, ohatran'izay ihany i Inde sy Torkia. Tsy maintsy miasa sy mamokatra i Madagasikara raha te ho velona sy handroso. Sady mamokatra no manodina vokatra. Indostria eto no resaka. Mila fitoniana sy fitsipika mazava io mba samy hisitraka fa tsy hoe vondron'olombitsy no manao ampihimamba ny harena be eto. Mbola misy anefa ny ahiahy tsy hihavanana ka io ilay mila alamina. Tsy maintsy fifampiresahana no atao. Mila atao mazava tsara ny tanjona, lalan-kombana ary fitsipi-dalao. Tsy maintsy ho avy ny fifidianana fa tsy azo entina kosa amin'ny mokondoha fotsiny. Azo ovaina ny lalàna hikatsahana ny tombotsoa iombonana sy manaraka ny fivoaran'ny tontolo. Tsy misy fandrosoana ao anaty fifandrafiana sy fifandonana lava izany. Mila tena miova ny toetsaina amin'ny sehatra rehetra, miaraka mivoatra, miaraka mikaroka, miaraka misandratra. Fifanoheran-kevitra tsy maintsy misy fa ny olona hendry mahay mifandamina foana. Tsy ho tafavoaka eto mihitsy raha samy hieritreritra izay mahamety ny tenany fotsiny. Mila fifandeferana. Asa, fanabeazana, fahasalamana, famokarana, fandriampahalemana, fandraharahana mirindra, fitsarana tsy miangatra. Ireo voatanisa ireo amin’ny ankampobeny no heverina fa tokony hisintomana ny tena tokony ho laharampahamehana raha ny mikasika ny fanarenana ny firenena amin’izao fotoana izao no ambara. Saika heno matetika any anatin’ny sosokevitr’ireo ivelan’ny fitondrana ihany koa ireo na mpanohitra io na fiarahamonim-pirenena na mpandinika na mpitondra fivavahana na ireo raiamandreny eto amin’ny firenena toy ny CFM sy raiamandreny anaty rafitra nentim-paharazana maro.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT