Mitohy hatrany ny fisokafan’ny fiaraha-miasa ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra taorian’ny antso nataon’ny ben’ny tanŕna Lalao Ravalomanana.
Naneho ny fahavononany ny hifanome tanana amin’ny fanarenana ny renivohitr’i Madagasikara ihany koa mantsy ny masoivohon’i Inde miasa sy monina eto amintsika Chandara Ballabh Thapliyal. Nisongadina izany nandritra ny fihaonany tamin’i Neny teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly. Niala tsiny ity farany noho ny fahataran’ny fitsidihana fiarahabana sy firariantsoa ho an’ny ben’ny tanàna vaovao noho ny fisian’ireo fihaonana an-tampony roa nifanesy natrehin’ny firenena indianina. Misandrahaka amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, hoy ity ambasadaoro vahiny ity tamin’ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety. Hisy tanàna iray any Inde moa efa vonona ny hifampizara ny traikefany amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary eo am-pandinihana izany indrindra ny roa tonta amin’izao fotoana izao. Hifantoka betsaka amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny kolontsaina ary ny tontolo iainana io fiaraha-miombon’antoka io, araka ny fanampim-panazavana heno teny an-toerana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.