Politique

Fanararaotam-pahefana Misy ben’ny tanàna terena hampandany an-dRajoelina ?


  • Alatsinainy 24 Aprily 2023

Mandeha ny fampanaovana taratasy fanekena ireo ben’ny tanàna sasany mba hanara-dia ny Antoko TGV ary hivadika ho ao anatin’io antoko io,

ary manambara fahavononana hanohana 100/100 ny Filoha Rajoelina amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, raha ny vaovao voaray avy any amin’ny faritra samihafa. Isan’ny ahenoana an’io ny any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, toy ny ao amin’ny Distrikan’I Betioky Atsimo, ka alefa amin’ny Filoha nasionalin’ny TGV ny fanekena fenoina, raha ny vaovao azo. Ahenoana tranga mitovitovy amin’izany ihany koa any amin’ny Distrikan’I Toamasina II izay voalazan’ny loharanom-baovao fa tambin’ny fahazoana moto avy amin’ny Filoham-pirenena io. Ny fomba firesaka hoentina rehefa mizara azy io dia hoe: hanamorana ny asan’ny ben’ny tanàna, saingy ara-politika dia tsy tongatonga ho azy amin’izao akaiky fifidianana izao. Indraindray toa lasa mivadika ho fanaovana takalon’aina ny zo fototra ara-politikan’ireo olom-boafidy satria ankoatra ny resaka fanomezana, dia mety ho sorona amin’ny resaka fampandrosoana izay tsy mitovy loko amin’ny Fanjakana foibe, mety ho anjorom-bala amin’ny programa sy tetikasam-pampandrosoana tokony hositrahan’ilay kaominina,… Raha raisina amin’ilay resaka moto, moa volan’ny Filoha na volan’ny TGV manokana tokoa ve no hividianana an’ireny sa volam-bahoaka? Voasarotra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana tokoa ve? Rehefa zohiana, dia ny safidim-bahoaka mihitsy no hitsakitsahina. Raha tiany anefa ny volomboasary na ny olona natolony dia tsy nifidy olon-kafa izy saingy izay endriky ny demokrasia izay mihitsy ve no hitsakitsahina noho ny kajy politika maloto?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT