Politique

Fanaraha-maso ny mpiara-miasa Miatrika fiofanana ireo ben’ny tanàna vehivavy


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Nosokafana omaly ary hifarana ny zoma izao ny fampiofanana ireo ben’ny tanana vehivavy mikambana eo anivon’ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna vehivavy eto Madagasikara.

Nozaraina 2 ny laka itsinjovana na “axe” nitondrana ny fiofanana, hoy ny avy eo anivon’ny foibem-pirenena mampiofana momba ny fitsinjaram-pahefana sy fampandrosoana ifotony na INDDL, tetsy amin’ny Senacle Amparibe omaly. Iny faritra avaratra, andrefana, afovoany, tapany afovoany sy manodidina izay no “axe” voalohany, izany hoe Analamanga, hoy ny tale jeneralin’ny INDDL, Saïd Ahmad Djaffar. Miisa 61 avy amin’ny faritra 13 izy ireo. Any Ihorombe sy Ihosy kosa no hanaovana ny tapany faharoa. Mianga amin’ny zava-misy tsapan’ny minisiteran’ny atitany sy ny INDDL, izay rafitra miankina aminy, no handrafetana ny taranja na “module” hampiofanana ireo ben’ny tanana vehivavy ireo. Ao ny resaka hetra anatiny na “fiscalité locale”, ny fitantanan-draharaham-panjakana na “gestion administrative”, ny fitantanana mpiasa na “gestion du personnel” ary ny fitantanana ny vola iasana na “budget du programme”. Antony hanomezana ireo “module” ireo ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny tanana izay efa hifarana. Iandraiketan’ny FDL na “fonds de développement local” ny famatsiana ireo vondrona itsinjaram-pahefana eny ifotony. Efa nisy ny fandaharana napetraky ny FDL mikasika izany ka inoana fa hahazo ny anjarany tsy ho ela ireo kaominina mbola tsy nahazo izany. Misy ben’ny tanana voarohirohy amin’ny resaka fitantanana sy ara-bola ka noho izay resaka izay indrindra no anton’ny fiofanana toy itony mba hanamorana ny fanarahan’ireo ben’ny tanàna ny fanaraha-mason’ny mpiara-miasa aminy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT