Zava-dehibe ho amin’ny hoavin’ny firenena manontolo indrindra ny taranaka fara mandimby ny fifidianana izay efa nanomboka natrehintsika tamin’ny fihodinana voalohany ny zoma 25 oktobra 2013 lasa iny.
Mbola hiatrika ny fihodinana faharoa miaraka amin’ny fifidianana ireo solombavambahoaka rahateo ny Malagasy ny zoma 20 desambra 2013 ka tsara raha samy mandray ny andraikiny ny isam-batan’olona mba ny tena vokatry ny safidin’ny olom-pirenena maro an’isa tokoa no hivoaka eo. Noho izany indrindra dia maro ireo fikambanana sy vondron’olom-pirenena nangataka tamin’ny fikambanan’ny vadintany sy mpanao lavanty manerana ny Nosy mba handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanaraha-maso ny fizotry ny fifidianana izay hitranga eto amin’ny firenena amin’ny volana desambra ho avy io, araka ny fanazavan’ny filohan’ity fikambanana ity Andriatsima Ravelo Heriniaina. Efa eo am-pandinihana sy fijerena ny dingana rehetra ho fanatanterahana izay hetahetan’ny mpiray tanindrazana izay ireo mpikambana iray manontolo manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao, raha ny fanampim-panazavana voaray. Tsikaritra nandritra iny fizotry ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena iny mantsy fa tena sarotra ny fiatrehana azy iny ary voaporofo tamin’ny fotoana lany teo amin’ny fanangonana ireo voka-pifidianana izany izay niteraka ahiahy teny anivon’ny fiarahamonina ihany. Mikasika ny fanapahan-kevitry ny fahefana mpanatanteraka hanokatra ny lisi-pifidianana hitsinjovana ireo olom-pirenena manodidina ny 3 tapitrisa tsy voasoratra anarana dia nilaza ny filohan’ny fikambanan’ny vadintany sy mpanao lavanty eto Madagasikara fa tsy misy maharatsy izany fa mipetraka kosa ny fanontaniana hoy izy ny amin’ny fomba hanatanterahana izany ao anatin’ny fotoana tena fohy sy tery. Sao mantsy hiteraka olana hafa indray izany ka mila dinihana matotra mba hisorohana ny ahiahy tsy ihavanana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.