Fanaraha-maso fifidianana any RD Congo

Lehiben’ny iraky ny Vondrona Afrikanina i Hery Rajaonarinampianina


  • Alatsinainy 18 Desambra 2023

Notendren’ny Vondrona Afrikanina ho Lehiben’ny Vondrona mpanara-maso avy aminy hanara-maso

ny fifidianana hatao any RD Congo ny Filoham-pirenena Malagasy teo aloha Atoa Hery Rajaonarimampianina. Mahatratra 65 ireo iraka avy amin’ny firenena 28 ao anatin’io iraka io izay efa nigadona tany an-toerana nanomboka ny 13 desambra teo, ka mbola Malagasy ihany koa no ao amin’ny lohalaharana miara-mandrindra aminy an’izany dia Pr Alain Tehindrazanarivelo sy Beboarimisa Ralava izay efa minisitra teo aloha. Hanara-maso ny zotram-pifidianana amin’ny ankampobeny izy ireny raha toa ka mifanaraka amin’ny fepetra manan-danja voafaritry ny Sata Afrikanina momba ny demokrasia sy ny fifidianana ary ny fitantanana izay nihatra nanomboka ny febroary 2012. Eo ihany koa ny fanambaran’ny Firaisambe Afrikanina sy Vondrona Afrikanina momba ireo fepetra mifehy ny fifidianana demokratika aty Afrika, ary ny lalan-jotra ara-panaraha-maso momba ny fifidianana, fa indrindra ny lalàmpanorenan’n RD Congo. Tanjona lehiben’ny iraka tarihin’Atoa Hery Rajaonarimampianina ny hanao fanaraha-maso mahaleo tena sy tsy mitanila ary hanao tombana mikasika ny fikarakarana sy zotram-pifidianana any amin’ity firenena ity. Misy ny fihaonan’ny iraka mpanelanelana amin’ireo manam-pahefana ao an-toerana, ny rafitra ara-panjakana sy ara-pitsarana, ireo kandida, andrim-panjakana, ireo mpisahatra nasionaly amin’ny zotram-pifidianana, ny solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena,… mba hikendrena ireo fepetra tokony horaisina mba hisian’ny fifidianana azo antoka. Hifampiresaka amin’ireo mpanara-maso hafa ihany koa io iraka io. Hanara-maso hatramin’ny fahavitan’ny dingana farany amin’ny latsa-bato sy ny fanisana izany izy ireo, ka ny 22 oktobra izao no hanao fanambarana ao amin’ny Hotely Pullman ao Kinshasa, hiresaka raha tao anatin’ny fanajana ireo fitsipika, fangaraharahana, fitoviana,… ny zotram-pifidianana. Hisy ihany koa ny fanehoana ny fomba nahitany ny fifidianana sy ny fanatsarana na « recommandations » ao anatin’ny tatitra farany ataon’ity iraka tarihin’Atoa Hery Rajaonarimampianina ity, iray volana aorian’ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana. Marihina fa eo amin’ny 40 tapitrisa eo ny mpifidy andrasana handatsa-bato ny alarobia izao, 24 ny kandida mpifaninana, ka isan’ny tsara toerana ny Filoha am-perin’asa Felix Tshisekedi. Na izany aza, mafampana ny toe-draharaha, ary tafiditry ny karazana fifandirana jeopolitika toy ny tsy fifankahazoan’ny sinoa sy ny Tandrefana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT